Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Gazetin’ny Nosy

La gazette de la grande île
10/02/20243 minute read

ANTENIMIERAMPIRENENA
Marary ny firenena hoy Razanamahasoa Christine

Ny zoma faha 9 Febroary 2024 ny fivoriana volohany tsy ara-potoana tamin’ity taona 2024 ity. Tolo-dalàna roa no vita tamin’izany dia ny momba ny fanitsiana ny andinin’ny lalàna sasantsasany momba ny herisetra na VGB izay nanaovana fanitsiana tamin’ny lalàna 002-2024, ary ny lalàna momba ny vondrom-bahoaka itsinjarampahefana mahakasika ny PDS (filohan’ny delegasiona manokana). Ity farany izay mpiasa-panjakana no natao filohany ankehitriny nefa nolazaina amin’ny tolo-dalàna vaovao ity fa azon’ny olona tsotra tsy mpiasam-panjakana koa izany.
Samy niteraka resabe teo anivon’ny vahoaka malagasy daholo sy ny sehatra iraisam-pirenena izy ireo nefa dia izay no lanin’ny parlemanta teraka roa tonta ka dia hampiharina eto amin’ny firenena. Tsy hiverina amin’ny resaka momba izany isika satria efa maro ny lahatsoratra mikasika izany no navoaka teto.
Tamin’ity fivoriana ity koa no nandaniana ny politika ankapoben’ny governemanta Ntsay Christian.
Marary i Madagasikara hoy Razanamahasoa Christine raha nanontanian’ny mpanao gazety ny raharaha politika ankehitriny izy. Mila fitsaboana sy dokotera mahay i Madagasikara.

Herinaratra
Resabe ilay Madagasikara tsy maintsy mandroso tenenin’i Rajoelina

Ny fahazahoana herinaratra isan-trano dia maridrefy iray amin’ny fandrosoana amin’ny firenena iray. Milaza Andry Rajoelina izay filoham-pirenena fa Madagasikara dia tsy maintsy mandroso. Tena tsara izany tarigetra izany ary izany no tadiavin’ny malagasy rehetra.
Toa izao no voalaza tamin’ny atrikasa tao amin’ny hotely Carlton ny alakamisy 08 Febroary 2024 izay nataon’ny ministeran’ny angovo ka niarahany tamin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena izay miaraka amin’i Madagasikara:
Ny 3% ny malagasy ihany no misitraka sy afaka mampiasa herinaratra na elektrisite raha ny tarehimarika vokatry ny fanadihadiana taona 2022. 81 % ny mponina dia mahantra avokoa ka tsy afaka hisitraka herinaratra mihitsy izay miisa 25 000 000 (25 tapitrisa) mahery. Ny fampiasan’ ireo dia kitay sy arina ka 70 000 hektara isan-taona no ala potika eto Madagasikara noho izany. Ny ala izay maridrefy iray hafa koa amin’ny fampandrosoana amin’izao fotoana izao nefa ny antsika malagasy potehina andro aman’alina.
Nanome vahana olana ny ministeram’ny angovo fa ny fampiasana ny angovo azo havaozina no ho entina amin’izany ka tohanan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena ireto. Tsara ilay tetika saingy sarotra ny fanatanterahana azy.
Ny dikan’ny hoe mahazo herinaratra isan- tokan-trano ange ka tsy jiro baliaka fotsiny ohatra fa hatramin’ny zavatra rehetra mila herinaratra ampiasana.
Raha mijery ny tarehi-marika ery ambony isika dia avy hatrany dia miteny ho azy io fa kobaka am-bava ny fitenenana hoe Madagasikara tsy maintsy mandroso voalazan’i Andry Rajoelina filoham-pirenena io.

Ady amin’ny famotsiam-bola sy ny kolikoly
3 314 miliara ariary no hita fa tsy mahavoa sazy izany

Nanao fanambarana tamin’ny vahoaka malagasy ny tale jeneralin’ny Samifin na ny sampan-draharaha miady amin’ny famotsiam-bola sy ny kolikoly R. Mamisoa ny alakamisy 8 Febroary 2024, fa vola mitentina 3 314 miliara ariary no hita fa ahitana kolikoly sy famotsiam-bola teto Madagasikara ny taona 2023 iny. Nitombo avo roa heny izany raha ampitahaina tamin’ny taona 2022. Maro be ny tranga amin’izany toa ny famotsiam-bola avy any ivelany, tsy famerenana ny vola ivelany izay tokony haveriny orinasa mpanondrana entana any ivelany eto Madagasikara, ny hosoka lehibe amin’ny tsy fandoavan-ketra, ary ny fampidirana entana antsokosoko any amin’ny ladoany…
Tsy misy nosamborina ireo olona ireo na voasazy sy nogadraina hatramin’izao. Tena faly mitanisa ny zavatra hitany fotsiny ilay tale jeneraly. Dia manilika ny raharaha amin’ny sampan-draharaha hafa.
Tsy misy ilàna ity sampan-draharaha Samifin ity intsony fa tokony ho foanana. Azo lazaina fa manome vahana ny tsy maty manota sy ny mpanao kolikoly avo lenta ity sampan-draharaha ity. Mazava ho azy fa ny mpanam-bola sy ny mpitondra ambony no voakasika amin’izany nefa toa arovan’ny Samifin fotsiny.
Izany no fanjakana malagasy ankehitriny dia handroso ve i Madagasikara?

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top