Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Malagasy 400 isan’andro no mikasa handositra ny fiainana eto Madagasikara

La gazette de la grande île
15/03/20242 minute read

Raha kely indrindra dia 250 no fangatahana alalana na « passeport » hahazoana miala eto Madagasikara ao amin’ny ministeran’ny atitany sy ny polisim-pirenena ao Anosy isan’andro. Voalazan’ny olona nanaovana fanadihadiana fa mahatratra 600 izy ireo matetika. Raha atao ny salan’isa dia manodidina ny 400 isan’andro ny malagasy mikasa hiala an’i Madagasikara.
Ao anatin’ny iray volana izany dia misy malagasy 16000 no miady fitsoahana, ka 192 000 isan-taona no isan’izy ireo.
Tanora hitady asa any ivelany no ankamaroan’izy ireo ka ny faritra Arabo toa an’i Dobay, Koweït, ary any Canada sy Allemagne, Frantsa ary atsy amin’ny Nosy Maurice no be mpandeha amin’izany. Tonga hatrany Chine ireo mpikaroka asa ireo. Mazana dia ny asa an-trano, mpitaiza zaza sy olona antitra ireny no ataon’izy ireo. Misy koa ny miasa amin’ny sambo.
Izao fitadiavana fitsoahana any ivelany ataon’ny tanora malagasy izao dia midika fa potika ny sehatrin’ny asa sy ny fihariana eto . Manamarika ny fahantrana lalina mahazo ny malagasy koa izany.
Matetika dia be dia be ny fahadisoam-panantenana hoan’ireo tanora ireo rehefa tonga any amin’ny firenena hiasany izy ireo satria lasa irony andevo sy mpanompo irony. Misy hatramin’ny fivarotan-tena hoan ‘ny tovovavy toa ny mitranga atsy amin’ ny Nosy Maurice. Misy ny maty koa maro.
Tsy tenenina intsony ireo mitsoaka antsokosoko atsy amin’ny Nosy Mayotte amin ‘ireo tanora leo ny fiainana eto Madagasikara ireo. Vinanio ny zavatra hitranga rahampitso fa zava-doza no misy izay iainan’ny malagasy izao nefa ny fiainana Mihapotika isan’andro.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top