Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Comptoir de l’or : Lafo nohon’ny vidian’ny volamena iraisam-pirenena ny volamena malagasy

La gazette de la grande île
18/03/20242 minute read

Tafatsangana eto Madagasikara ny « comptoir de l’or » na ny fahafahana mividy sy manangona ary manondrana izany any amin’ny tsenambarotra iraisam-pirenena. Tamin’ity fahalanian’ny fitondrana Andry Rajoelina izao no nampijoroana azy ity. Nolazainy fa isan’ny zava-dehibe ataon’ny fanjakana izao izany hitondrana an’i Madagasikara tsy maintsy mandroso araka ny tarigetra napetrak’i Rajoelina ihany. Ny malagasy izay tsy mahalala firy amin’ny resaka volamena dia tsy niraharaha izany loatra satria ny hanina ho hanina isan’andro ihany no olana eo aminy noho ny fahantrana.
Koa voatery nanao fanadihadiana tamin’ny olona izay mahalala tsara ny tsenam-barotra iraisam-pirenena izahay mba hahafantarana marina ny momba azy ity. Tamin’izany no nahafantarana fa midangana lavitra noho ny vidiny iraisam-pirenena ny vidin’ny volamena eto Madagasikara. Mihoatra ny 265 000 ariary ny iray grama raha toa ka mbola 200 000 ariary monja ny grama any ivelany.
Vokatr’izay dia mikatso ity raharaha ity satria ireo orinasa izay nomena alalana hividy sy hanangona sy hivarotra ary hanondrana izany any ivelany dia fantatra fa mpanelanelana ihany ka manao resaka « mafia ». Misy mpanelanelana 4 na 5 vao tonga amin’ireo nomena fahefana hivarotra any ivelany ireo ity ato  » comptoir de l’or ». Tsy hita intsony ilay fihavin’ny volamena ireo na ilay antsoina hoe  » tracabilité « 
Raha tena hampandroso an’i Madagasikara marina i Andry Rajoelina sy mpomba azy sy fanjakana dia ny mpitrandraka sy ny orinasa misahana izany no tokony homena  » agrément  » na ny fahazoan-dalana hanondrana azy ity any ivelany fa tsy ireo orinasa enina izay hita fa mpanelanelana ireo izay efa sokajian’ny olona ho « mafia » miaraka amin’ny fitondrana.
Tsy hitondra soa hoan’ny firenena malagasy ity « comptoir de l’or » ity raha izao endriny ankehitriny ametrahana azy izao fa mbola azo lazaina fa misy tsikombakomba ratsy ihany.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top