Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fifidianana depiote : Miady ny kandidàm-panjakana

La gazette de la grande île
18/03/202434 second read

Nihamafy ny ady an-trano ao amin’ny mpomba ny fitondrana. Samy miady ny ho kandidàm-panjakana avokoa ireo antoko politika sy ny fikambana isan-karazany nanohana an’ i Andry Rajoelina. Na ny TGV, na ny Mapar sy ny AFF-Upar. Mbola eo koa ireo fikambanana tsotra izay nilaza fa mpanohana.
Noho izany dia tsy tafavoaka ny anaran’ny kandidà hatolotry ny fanjakana hatramin’izao. Lasa miteraka disadisa anatiny ao amin’ny mpomba ny fitondrana izy ity. Misy ny milaza fa hanao mahaleo tena raha tsy atao kandidàm-panjakana ity. Misy koa no hivadika any amin’ny mpanohitra. Manaraka izany dia atahorana mafy ny fifandrafiana hiteraka fifamonoana amin’izy samy mpomba ny fitondrana toa ny efa nitranga tany Fianarantsoa ireny tamin’ny fihaonana nataon’izy ireo.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top