Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Foloalindahy : Lasa mpanao politika

La gazette de la grande île
19/03/202455 second read

Ny foloalindahy dia ahitana ny miaramila sy ny zandary. Manampy azy ireo koa ny polisy. Natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany izy ireo. Izy ireo koa no tandroka miaro ny vozona eto amin’ny firenena. Tsy natao hanao politika velively ny tafika. Hitandro ny filaminana sy hiaro ny tanindrazana koa izy ireo raha toa ka misy sanatrian’izany fanafihana avy any ivelany. Tsy natao hirona amin’ny ankolafy politika mihitsy izy ireo. Tsy mahazo miandany amin’ny antoko politika koa na amin’ny fitondrana na amin’ny mpanohitra…

Ankehitriny anefa dia feno miaramila avokoa ny toerana politika eto amin’ny fitondrana. Maro no lasa mitazona toerana toa ny tale na tale jeneraly na koa sekretera jeneraly sy tale ny kabonetra amin’ny ministera any izy ireo. Toerana izay natao hoan’ny mpanao politika. Misy hatramin’ny minisitra mihitsy ivelan’ny ministeran’ny foloalindahy izy ireny. Hadino ny tena andraikitra tena nametrahana azy. Ny mpitondra fanjakana koa no tsy mametraka azy ireo amin’ny toerana misy azy. Maro no anton’izany izay tsy ho aro ho voatanisa eto. Tsy mahagaga raha mivaralila ny firenena ankehitriny satria mifangaro ny andraikitra. Raha mitohy izao dia ho lasa antoko politika ny foloalindahy malagasy.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top