Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Kandidà Depiote mpomba an’i Rajoelina : Takina 10 tapitrisa ariary raha te hanao kandidàm-panjakana

La gazette de la grande île
19/03/202459 second read

Voatery hiala aho fa tsy manam-bola 10 tapitrisa ariary na 50 millions Fmg hoy ity kandidà depiote iray avy any amin’ny faritany ity. Takina io vola io izahay raha te hanao kandidà ao amin’ny vondrona mpomba ny fitondrana hoy hatrany izy . Efa manomana ny taratasy hilatsahan’ny amin’ny tsy miankina aho hoy hatrany ny filazany fa tsy hanam-bola homeko io olona milaza fa mandidy mahatapaka ao amin’ny Arena io.
Tamin’ny herinandro lasa iny dia nisy koa kandidà iray hafa niteny fa tsy manam-bola hividianana toerana aho ao amin’ny Arena ao. Aleoko miala fa resaka vola no ao.
Maro dia maro ny resaka mandeha amin’ny fifidianana izay olona hatao kandidà hoan’ny fitondrana miaraka amin’i Andry Rajoelina ankehitriny. Sarotra ny raharaha satria fikambana tsotra sy vondrona politika mahatratra 112 no mitady ho kandidàm-panjaka avokoa ankehitriny. Ny toerana nefa 163 monja. Ny Armada misy vondrona politika 13, ny AFF Upar misy 19, ny fikambanana tanora sy fikambanam-behivavy mahatratra 88.Ireo rehetra ireo samy manana ny kandidàny avokoa. Ny sasany aza manana 3 na 4 mihitsy. Dia tsy maintsy raikitra ny risoriso sy ny kolikoly. Dia izao sahady no mitranga ao amin’ny antoko mpomba ny fitondrana ao.
Dia aiza ho aiza izany ilay Madagasikara tsy maintsy mandroso amin’izany?

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top