Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Ny Firenena no mandroso dia ny Vahoaka ao aminy no nianatra , mahay ary manana fahendrena, no manpandroso any izany Firenena izany.

La gazette de la grande île
02/04/202451 second read

Ny vokatry ny fomba fanabeazana sy ny rafi-panabeazana hatramin’ny nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantenany dia mampiseho fa ny tsy nandroso mihitsy Madagasikara ary mampiseo ny tsy fahatomomban’izany rafi-panabeazana izany amin’ny fananganana fiaraha-monina miroborobo  sy miaina am-pilaminana. 

Amin’ izao fotoana hirosoana amin’ny  fifidianana ny ho solombavambahoaka izao, dia fotoana izao tokony haneken’ny mpanao politika malagasy rehetra eo anatrehan’ny vahoaka Malagasy ho laharam-pahamehana ny andraikitry ny fanabeazana amin’ny fampiroboroboana ny fiaraha-monina malagasy milamina, miasa  ary mamorona kokoa; Fotoana izao tokony hampisehon’ireo  mpanao politika malagasy rehetra ny fanohanany marina ny rafi-panabeazana tsara sy marampenitra eto amintsika.

Mampiroborobo ny fifankahazoana, ny fandeferana ary ny fiaraha-miaina am-pilaminana eo amin’ny isam-batan’olona sy ny fiaraha-monina, ny fampianarana tsara sy manara-penitra. Ambon’izany, ny fanabeazana dia manana fahafahana hampihena ny loza ateraky ny herisetra amin’ny endrika samihafa amin’ny alàlan’ny fampianarana sy fampiroboroboana ny fisainana mitsikera sady miheno ny hevitry ny afa, ny famporisihana ny fifanakalozan-kevitra misokatra. Ary farany ny fampianarana tsara sy manara-penitra dia manamora ny fahafahana ho an’ny fitomboana ara-toekarena.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top