Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Gazetin’ny Nosy

La gazette de la grande île
15/04/20243 minute read

Fifidianana depiote
Tandindonin-doza indray ny filatsahan’ny Razanamahasoa Christine

Araka ny vaovao avy any amin’ny CENI ( vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana) tamin’ny faran’ny herinandro iny dia misy 40 eo ho eo no isan’ireo olona izay nanana olana tamin’ny fametrahana ny antontan-taratasy tany amin’ny OVEC na ny vaomiera ny fifidianana any amin’ny distrika momba ny fifidianana depiote ity. Isan’ny olona voakasika izany i Rossy, Pety Rakotoniaina avy any Ikalamavony, Narison Rafidimanna avy ao Antanifotsy ary Razanamahasoa Christine avy any Ambatofinandrahana…Voalazan’ny CENI fa tara ny fanaterana ny taratasy momba ny filazan-ketra an’izy ireo, satria tara iray andro ny fanaterana izany tany amin’ny OVEC. Ny fanapahan-kevitra farany dia miankina amin’ny HCC na ny fahefana avo momba ny lalàm-panorenana izay hivoaka amin’ity herinandro ity. Raha toa ka lavina ny filatsahany io dia inona indray no hitranga? Tandidon-doza indray ny filatsahan’ny Razanamahasoa Christine sy ireo olona ireo.

FITATA
Noroahin’ny fitondran-dRajoelina tamin’ny tranony

Ny Fikambanana FITATA na ny (fivondronan’ny tanora tanindrana) izay manana ny tranony sy ny foibeny eny Ambohijanahary ambonin’ny Mahamasina Antananarivo, dia naorin’ny filoham-pirenena teo aloha Philibert Tsiranana ny taona 1950. Tamin’izay fotoana izay dia  » Association des jeunes chrétiens côtiers de Madagascar no anarany. Niova ho FITATA izany ny taona 1963 rehefa azo ny fahaleovantena.
Ity toerana ity dia misy trano misy efitra maro natao hipetrahan ‘ny mpianatra avy any amin’ny faritany rehetra manerana an’ i Madagasikara ka mandranto fianarana eto Antananarivo.
Isan’izany ny betsileo. Vola avy any fikambana iray tany Frantsa no nanorenana ity trano ity. Tao anatin’ny 70 taona dia ity fikambanana ity no mikarakara azy ary mbola misy mpikambana mipetraka eny hatramin’ izay ka hatramin’ izao. Ny taona 2010 iny dia nisy fikambanana iray niforona antsoina hoe FITATA koa na (fikambanan’ny tantsaha tanindrana) izay milaza fa tompon’ ny toerana dia ny tany sy ny trano ity. Io fikambanana io no nivarotra ny fananan’ny FITATA ity amin’ny fitondrana ankehitriny dia ny fikambanana Fitia izany araka ny voalazan’ireo olona voaroaka.
Voalaza fa 35 miliara no nividianana ity trano ity. Gaga ireo mpikambana satria dia tonga tampoka ny vaditany nandroaka azy ireo. Nandeha nitory tany amin’ny fitsarana ny FITATA (fikambanan’ny tanora tanindrana) ity. Nandresy izy ireo ny taona 2018. Nampakatra indray ny ankilany ka naharesy ny taona 2023. Izany Tata avy any amin’ny Atsimo Atsinanana izany miampy an’i lietna Richard avy any Fianarantsoa ary ny ex-maire ny Mahitsy Dominique izany no voalazan’ireo mpikambana fa nivarotra ny fananany.
Misy tokatrano 30 izy ireo no voaroaka izao nanomboka ny 8 martsa 2024, nitohy ny alatsinainy 1 aprily ny farany teo.
Fanamparam-pahefana no andikan’ny mpikambana FITATA ireto izao atao atao azy izao.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top