Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fifidianana depiote Inona indray no holazain’ny HCC?

La gazette de la grande île
16/04/202440 second read

Dia aoka hazava ny resaka fa tsy misy matoky intsony ny HCC (fahefana avo momba ny lalàmpanorenana) izay tarihin’i Florent Rakotoarisoa io ny ankamaroany ny malagasy. Diso miandany be loatra amin’ny fitondrana ankehitriny ity andrim-panjakana ity. Ny zavatra izay nitranga be dia be tamin’ny fifidianana filoham-pirenena lasa teo iny no nahatonga ny malagasy tsy hino sy hanaiky ny HCC ity intsony. Na inona na inona no holazainy dia tsy hino intsony ny malagasy fa leo tanteraka azy.
Ny tena olana nefa dia manana ny fahefana mamoaka didy tsy azo ivalozana ity andrim-panjakana ity. Izay teneniny dia tsy maintsy ekena fa tsy azo atao na inona na inona mihitsy.
Eo anatrehan’izany dia tsy matoky fitsarana izay tarihin’ny HCC io ny olona ka miteraka savorovoro hatrany izy ity isaky ny mamoaka didy. Zava-doza eo amin’ny raharaham-pirenena izany.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top