Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Kaominina Antananarivo : Feno halatra sy kolikoly

La gazette de la grande île
16/04/202454 second read

Dia io iarahana mahita io fa miady ny mpiasa ao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra na ny CUA. Mifampiampanga amin’ny fanodikodinam-bola sy ny kolikoly ny mpiasa izay mivondrona amin’ny sendika sy ny mpitantana dia ireo olom-boafidy tarihin’ny ben’ny tanàna teo aloha Naina Andriatsitohaina sy ny PDS vaovao Richard Ramanambitana. Manampy azy ireo ny orinasa FMGD izay voalaza fa orinasa misahana ny fitakiana ny haba amin’ny tsena rehetra eto an-drenivohitra. Ity orinasa ity izay an’ireo olona mpitondra ambony ao amin’ny CUA ihany fa saingy miseho amin’ny endrika hafa. Voalaza fa vola amin’ny miliara maromaro no tsy mazava ny fitantanana ao amin’ny kaominina ity. Raha ny tombatombana dia mahatratra amin’ny miliara isan’andro no vola miditra ao amin’ny alalan’ny haba tsena sy ny asa hafa . Eo anatrehan’izany anefa dia tsy voaloa ny karaman’ny mpiasa ao amin’ny CUA. Vokatr’izany dia nitory tany amin’ny Bianco ( birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly). Ny zava-misy sy mahagaga dia mitazam-potsiny ity raharaha ity ny Bianco ity.
Azo antoka fa hanaovan’ny fanjakana bemarenina sy hataony maty momoka fotsiny ity raharaha ity satria olona ambony ao amin’ny fitondrana no voakasika amin’izany.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top