Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fifidianana depiote : Feno fandikan-dalàna

La gazette de la grande île
26/04/202438 second read

Tena efa ao anatin’ny propagandy tanteraka ny firenena. Ny momba ny fanjakana sy ny mpanohitra dia samy efa ao anatin’ny fihetsiketsehana tanteraka. Ny voalazan ‘ny lalàna anefa dia ny 8 May 2024 izao vao manomboka ny propagandy ity raha ny lalàna ihany no tena arahina.
Tsy vitan’ny fandikan-dalàna io fa misy koa ny teritery mafy ataon’ny kandidà-panjakana amin’ny mpiasam-panjakana any amin’ny distrika maro manerana an’i Madagasikara. Efa hita izany amin ‘ny fanoloana ireo lehiben’ny sampan-draharaha isan-karazany any amin’ny faritra sy ny distrika ireny. Raha izany ny zava-misy dia azo inoana fa tsy hahazo depiote firy ireo mpanohitra sy ny tsy miankina ireo . Ny mpanohitra izay be resaka fotsiny any amin’ny facebook izay tsy mipaka any amin’ny tantsaha mpifidy f a mihantona aty an-drenivohitra fotsiny ihany.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top