Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy : Notorian’ny vadiny teo aloha Andriatongativo

La gazette de la grande île
28/04/202459 second read

Tantara mitohy izany ny raharaha Lalatiana Rakotondrazafy izay minisitry ny fampianarana teknika ka nilatsaka hofidiana ho depiote any Andramasina amin’izao fotoana izao sy ny vadiny teo aloha Andriatongarivo izay nogadrainy rehefa nisaraka izy roa volana maromaro lasa izay. Eny am-ponja eny Imeritsiatosika no voatazona Andriatongarivo ity rehefa notorian’ny Lalatiana Rakotondrazafy izay vadiny teo aloha. Any izy no nandefa ny fitoriany any amin’ny fitsarana momba ny fitoriana indray tamin’ny alàlan’ny mpisolovava azy momba ny fikasana nataon’ity minisitra ity amin’ny fikasana hanampoizina azy fony mbola nivady izy roa raha ny loharanom-baovao ihany saingy tsy tanteraka izany satria tratrany ihany ary misy porofo hoy hatrany ny loharanom-baovao. Tamin’ny faran’ny herinandro no nitondra ny fitoriany teny amin’ny fitsarana ny mpisolovava an’Andriatongarivo ity. Raharaha izay niteraka resabe teo amin’ny tontolon’ny politika sy ny vahoaka. Samy miandry izay ho tohiny ny mpanaraka ny vaovao rehetra satria tena tsy ankitsitsy intsony ny azy roa tonta ireto matoa mifangadra sy mifampitory toa izao . Mety be dia be ny tsiambaratelo hitranga amin’ny fiainan’izy roa ireo ary hahalala zavatra miafina amin’ny raharaham-pirenena koa. Andriatongarivo dia mafimafy fihetsika izay ary Lalatiana Rakotondrazafy indray dia iarahana mahita fa antsoina hoe « dame de fer » ao amin’ny fitondrana ankehittiny io.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top