Tao anatin’ny andro vitsivitsy izay dia namory matetika ny orinasa isan-karazany sy ny fikambanana teo Antananarivo ny tale jeneralin’ny hetra Germain. Nihaona tamin’ny GEM izy tamin’ny voalohan’ny herinandro ity. Androany talata faha 30 aprily 2024 ity indray dia nihaona tamin’ny ORCFM na ny « ordre des experts comptables et financiers de Madagascar » . Ary fantatra fa mbola hitohy any amin’ny sehatra hafa koa izany amin’ny andro manaraka.
Raha ny loharanom-baovao marim-pototra dia tsy ampy intsony ny vola ao amin’ny fanjakana ao hampandehanana ny raharaham-pirenena. Efa nomena vaovao mahakasika izany isika omaly saingy mbola mitohy ny vaovao mahakasika ny olana ny tsy fahampian’ny volam-panjakana ity. Mampanahy mafy ny hisian’ny fahatapahan’ny karaman’ny mpiasam-panjakana raha mitohy izao. Resaka momba ny hampidirana hetra haingana no ataon’ny DGI Germain sy ny ministeran’ny toe-karena sy vola izao. Ny mahagaga dia ny tsy fahasahiana mampihatra avy hatrany ny lalàna fa mbola anontaniana ireo olona izay takiana ny hetra indray. Misy zavatra tsy mazava ao.
Ankilan’ny indray ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina dia mitalaho mafy sy mandadilady mihitsy manao izay hahazoana volabe amin’ny alalan’ny IDA izay mivory atsy Kenya amin’ny fotoana izao. Ny mpangataka indray no miady varotra satria efa alohalika ny fahantrana eto Madagasikara. Tsy menatra intsony hoy ny fitenenana.
Manahy mafy ny hoavy ara-toekarena eto Madagasikara ny mpamatsy vola iraisam-pirenena sy ny mpiray ombinantoka iraisam-pirenena miaraka amin’i malagasy. Sarotra ny raharaha satria mety hitarika krizy izay hiafara amin’ny Fitroaram-bahoaka izao raharaha izao.
Tale jeneraly ny hetra Miady mafy amin’ny fampidiran-ketra
La gazette de la grande île
01/05/2024•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
313449
Your IP Address: 192.185.240.133
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »