Tena miakatra be loatra ny fidangan’ny vidim-piainana ka maro ny malagasy no lasa manaonao foana ankehitriny. Tsy manana fahefa-mividy intsony ny olona ka lasa mankany amin’ny halatra sy ny fametsifetsena isan-karazany ary ny famonoan’olona sy ny kidnapping na fangalarana olona. Tsy mitsaha-mitombo ny olona mahantra izay efa lasa mpitsindrokoka eny amin’ny fanariam-pako toa ny alika. Ankoatran’izany dia mirehareha amin’ny volam-panjakana sy harena ny firenena aondrana amin’ny fomba tsy ara any ivelany ny mpitondra fanjakana sy ireo mpomba azy vitsivitsy.
Tena efa leo ny olana ara-politika sy ny fidangan’ny vidim-piainana ny malagasy. Tsy misy izay tsy mitaraina noho izany. Be dia be no te hitroatra saingy mbola mandinika sy mbola tsy ampy hery nohon’ny hanoanana.
Toa ny zava-nitranga ara-tsosialy sy politika hatramin’izay dia tsy maintsy hisy farany izany hoy ny feo mandeha etsy sy eroa ka atahorana ny mety hisian’ny fitroaran’ny vahoaka indray andro any. Toa izao mitranga eto Madagasikara izao no niatombohan’ny krizy mitranga any Haiti ankehitriny io ka tokony handinika ny fanjakana. Izay zavatra ataon’ny fitondrana dia miteraka olana eto amin’ny firenena avokoa amin’izao fotoana izao.
Fiainam-pirenena : Atahorana ny ho fitroaran’ny vahoaka
La gazette de la grande île
02/05/2024•53 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
313449
Your IP Address: 192.185.240.133
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »