Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Menabe : Nodimandry ny mpanjaka Kamamy Magloire

La gazette de la grande île
10/05/202431 second read

Nodimandry ny alarobia faha 8 May 2024 ny mpanjakan’i Menabe Kamamy Magloire. Aretina efa nahazo azy tao anatin’ny fotoana maro no nahafaty azy izao. Mbola ao Morondava ny razana fa ny zoma no hoentina any Beloamoron’iTsiribibina. Ny zoma faha 17 May 2024 no hafenina ny razana.
Tsy afaka nahita velona ny kabeson’ny mpanjaka Toera ny mpanjaka Kamamy Magloire. Izy anefa isan’ny niady mafy amin’ny hamerenana ny kabeso ity aty Madagasikara.
Fa isan’ny nodimandry koa ny mpanakanto Kizy ny alarobia teo. Isan’ny olona nanana ny lazany manokana teto amin’ny firenena koa izy izay nitandro sy manandratra hatrany ny fomba malagasy.
Mirary fiononana feno hoan’ ny fianakaviana ireo izahay eto amin’ny gazety.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top