Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Volam-panjakana Niaiky ny fitondrana fa lany vola

La gazette de la grande île
13/08/20242 minute read

Tamin’iny herinandro lasa iny izany no nanambaran’ny fanjakana ankehitriny fa lany tsy manana vola ho entina hampandrosoana ny firenena intsony ny fitondrana ankehitriny tarihin’i Andry Nirina Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian.
Nahena 62 % ny vola hampiasaina isakin ny ministera. Izany no porofo mitohoka amin’ny tenda fa tsy mpanam-bola hoentina hitondrana ity firenena ity ny fitondrana io. Manaporofo izany koa ny tsy fahatongavan’ny fanampiana ara-bola avy any ivelany antsoina hoe « aide budgétaire » izay miantoka ny fampandehanana ny raharaham-panjakana maro. Ny volana novambra alohan’ny faran’ny taona no fahazoana io vola io hatramin’izay nefa 10 volana aty aoriana dia mbola tsy mety mandoa io vola io ny mpamatsy vola iraisam-pirenena avy any ivelany.
Ankoatra ‘izany dia tsy mazava ny fidiran’ ny hetra sy ny fitantanana izany amin’izao fotoana izao.
Ny voalohan’ny taona 2024 dia nilaza io fitondrana io fa tsy afaka handoa vola intsony raha tsy ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy ireo be antitra. Nisy koa ny vinavina saika handroaka mpiasa-panjakana miisa 50 000 nefa dia saika nitarika korontana izany ka najanona.
Ankehitriny dia resaka be eto amin’ny firenena ny tsy fahampian’ny vola hampihodinana ny asam-panjakana ity. Tsy tenenina intsony ny ahiahiny ny olona maro amin’ny mety ho fahatapahan’ny fandoavana ny karama ny mpiasa.
Mampatahotra ny zava-misy ankehitriny satria na ny depiote aza dia milaza fa tsy manam-bola intsony io fitondrana io araka ny fahitan’izy ireo ny zava-misy ao Tsimbazaza ao.
Inona no hitranga rahampitso? Mananontanona ny krizy politika sy toekarena.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top