Ny kolikoly no fototry ny fahantrana voalohany eto ary ny mpitondra fanjakana no tena manao azy eto Madagasikara.
Tsy ampisalasalana no ilazana izany. Ny Hcj na ny « haute cour de justice » izay fitsarana natao hitsarana ireo mpitondra ambony toa ny filohan’ny andrim-panjakana dia ny filohan’ny repoblika sy ny Praiminisitra ary ny mpikambana ao amin’ny governemanta sy ireo mpiasam-panjakana ambony. Nanomboka tamin’ny 2018 no tafapetraka ity fitsarana hiady amin’ny kolikoly ity fa na olona iray aza mbola tsy notsarana tao. Ny depiote no sady mpanao lalàna no mpitsara ankehitriny manakana izany ary namoaka lalàna tsy hampandeha ity rafitra ity. Dia avy amin’ny fitenenana hoe « sady mandidy no mihinana » ireo depiote ireo. Tsy mbola nisy mpitondra ambony nigadra izany teto Madagasikara fa resak’adala sy fandrebirebena saim-bahoaka tanteraka raha ny ady amin’ny kolikoly izany. Izay voarohirohy amin’ny kolikoly avo lenta dia lasa mandositra any frantsa avokoa mialokaloka sy mandany ny azo(voahorona). Toa ny raharaha Jirama, Cnaps ary ireo minisitra nanodidina volam-bahoaka ireny. Tsy misy ilaina ny Bianco na ny birao manokana miady amin’ny kolikoly fa aleo aza ny fitsarana tsotra ihany no misahana ity raharaha ity raha ny zava-misy no jerena. Ny tribonaly manokana momban’ny kolikoly na ny PAC etsy amin’ny 67 ha dia toa izany ihany koa. Iarahana mahita ny fahapotehan’ny firenena nohon’ny kolikoly ankehitriny. Efa tena lasa fiainana koa aza izy ity satria ny madinika mihitsy no manao kolikoly amin’izao fotoana izao noho ny fahitany ny ataon’ireo mpitondra.
Izay milaza sy mitory momba ny fanaovana kolikoly indray no sahirana eto Madagasikara. Kolikoly tsy vitan’ny eto amin’ny firenena fa efa tonga hatrany ivelany. Jereo ny raharaha mahakasika ny volamena, ny andramena, ny vatosoa sy ny harena ankibo’ny tany izay any ivelany vao hita. Ny sokatra sy ny gidro izay lasa kolikoly avo lenta. Nefa eo anatrehan’izany dia mody gisa ny fanjakana nefa dia fantatra izao fa tsy tafavoaka ireny rehetra ireny raha tsy misy olona ambony ao amin’ ny fitondrana miaraka manao kolikoly amin’ny famoahana azy ireny. Ny volamena tonga any Dubai sy Turquie, ny vahiny indray no mahita alohan’ny fanjakana malagasy. Ny mpitondra moa izany dia mody gisa.
Napetraka ny tale jeneralin’ny Bianco ny herinandro ity dia milaza fa tsy voakasika izany ny talen’ny kabinetra ny filohan’ny repoblika Andrianarisoa V. Nefa dia nigadra tany Angletera noho ny kolikoly avo lenta tao amin’ny fitondrana ity. Dia avy tokoa amin’ny fitenenana hoe « tsy maty manota » izay mpinamana amin’ny fitondrana. Feno kolikoly ny sehatra rehetra eto amin’ny firenena.
Feno ny fonja eran’i Madagasikara saingy ny olona mahantra sy ny mpanohitra ny fitondrana no migadra ao fa tsy misy na minisitra na filohan’ny andrim-panjakana na olona ambony izany, nefa ireo no tena mpanao kolikoly avo lenta eto amin’ity firenena ity.
Mitaky fiovana maherivaika ny firenena!
Ady amin’ny kolikoly : Ny mpitondra fanjakana no tena mpanao azy eto Madagasikara
La gazette de la grande île
18/08/2024•3 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
313291
Your IP Address: 18.188.76.209
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »