Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

MIZAKA FAHORIANA SY TSY RARINY IREO OLONA NIPETRAKA TAMIN’NY TOERANA HISIAN’NY FANAMBOARANA LALANA IZAY VOALAZA FA TETIKASAN’NY FILOHAN’NY REPOBLIKA

La gazette de la grande île
07/11/20247 minute read

MIZAKA FAHORIANA SY TSY RARINY IREO OLONA NIPETRAKA TAMIN’NY TOERANA

HISIAN’NY FANAMBOARANA LALANA IZAY VOALAZA FA TETIKASAN’NY FILOHAN’NY REPOBLIKA

Mameno ny vaovao an- gazety sy haino aman-jery fa noravàna ny trano fonenana sy saha fambolen’ny mponina marobe, tokatrano aman-jatony, any amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo nandritry ny volana Oktobra 2024 satria hamboarina hono ny làlana ka hampiharina ny lalàna momba ny fanesorana ny fizakà-manana noho ny tombotsoan’ny besinimaro (expropriation pour cause d’utilité publique).

Tsy lavina fa tena ilaina ny fanamboarana ny làlana ho an’ny fampandrosoana ny rehetra. Saingy mampitolagaga sy mampiteny ny moana ny tsy fanajàna ny lalàna sy ny zon’olombelona ary tsy firaharahiana mihitsy izay fiatraikany amin’ny mponina asehon’ny mpikarakara sasany ka tsy maintsy havoitra ho fantatry ny rehetra sy ny tompon’andraikitra. Sao sanatria fitondràna sy fampitomboana fahantrana ho an’ny ankamaroan’ny Malagasy no ho vokatr’ireto asa kasaina sy lazaina fa hiteraka fampandrosoana ka hifanipaka amin’ilay tombotsoan’ny besinimaro sy ny tombotsoam-pirenena.

NY TRANGA

Toy izao ny tranga ao amin’ny fanamboarana ny làlana nasionaly fahadimy (RN5) araky ny fitarainan’ny mponina niharan-doza saingy fantatra fa be hitovizana ny zava-miseho any amin’ny toerana maro (1).
Noho ny fanamboarana ny làlana RN5 dia voalaza fa hiharan’ny fanambaràna fa tombotsoan’ny besinimaro (déclaration d’utilité publique) ny toerana manodidina ny làlana (Décret n°2022-628 déclarant l’utilité publique des travaux d’aménagement et d’asphaltage de la route nationale secondaire RN5 sy Arrêté 15531/2023-MATS). 15 metatra manodidina ny làlana no voatondro tany amboalohany fa iharan’ilay utilité publique. Niova nefa izany taty aoriana fa lasa ilay ilany iray manontolo no kasaina hangalàna ilay 30 metatra nilaina miaraka aminy arabe teo aloha.
Nisy olona avy amin’ny orinasa MOSS nikarakara ny fanalàna ny olona amin’ny tany (expropriation) ka nanao fifampiraharahana tamin’ny mponina mba hiala ary ny mponina ihany no miantoka ny fandravàna ny trano. Nanome toky fa handoa onitra ny Fanjakàna, tsy mialohan’ ny ialana teo amin’ny toerana fa rehefa manam-bola ny Fanjakàna. Rehefa tsy nanaiky ny mponina dia nitondra taratasy misy sorabola ireo olon’ny orinasa milaza ny onitra ho voaray. Tsy nisy fifampiresahana tamin’ny mponina voakasika ilay mari-bola fa fanapaha-kevitra noraisin’ny ankilany irery (décision unilatérale). Nasainy nanao sonia ilay taratasy ny olona ary nasainy nanokatra kaonty any amin’ny banky (compte bancaire) hoe hampidiran’ny Fanjakana ny vola ao rehefa homen’ny Trésor. Tsy nisy fandoavam-bola hatramin’izao.
Nisy ampahan’ny mponina tsy nanaiky ka naka mpisolovava hiaro azy sy nampakatra ny raharaha teo anivon’ny fitsaràna. Nandefa taratasy tany amin’ny Ministeran’ny Asa Vaventy koa izy ireo nangataka ny amerenana ny fombafomba (procédures) rehetra mba hifanaraka amin’ny voalazan’ny lalàna. Ho setrin’izany anefa dia famoriana ny fokonolona no nantsoin’ny solontenam-panjakana aty an-toerana (Préfet) ny zoma 05 jolay 2024, ka nahitàna ny solontenan’ny Asa Vaventy, bureau d’études, OMC ary commandant de brigade-n’ny Zandarimaria ao Soanierana Ivongo, ary nanao fanambaràna ampahibemaso fa tokony hiala ny toerana misy azy ny mponina ao anatin’ny 10 andro. Rehefa tsy niala ny olona dia nandefa taratasy ny district Soanierana Ivongo naniraka ny mponina hiala amin’ny tany. Ary voalaza ao amin’ny taratasy fa ny Minisitry ny Asa Vaventy (Ministre des travaux publics) no nanome baiko azy.

NY HETSIKA NATAO TEO ANIVON’NY FITSARANA SY NY TOHINY

Nametraka fitoriana teny amin’ny tribunal administratif ny sasany amin’ireo niharan’ity raharaha ity mba hanakanana ny fampiharana ny didy sy nangataka ny hanajàna ny lalana velona. Tezitra noho izany ny tao amin’ny District sy ny Ministera ka nangataka ny hanatsoahana ilay fitoriana; Tsy nanaiky ireo nitory ka tamin’ny zoma 25 oktobra no niakatra teny amin’ny Fitsaràna ny raharaha , izay nandà ilay fangatahana fampitsarahana. Ny ampitso sabotsy dia tonga ny prefet, ny district , ny mpitandro filaminana avy tany Fénérive-Est sy Soanierana Ivongo, nitondra basy ary nanery ny mponina hiala ny tany sady nandrava ny trano. Ireo olona nitory no notadiavina sy narodana voalohany ny fananany ary nosimbaina ny taniny rehetra.
Nisy tokatrano tsy nandray anjara tamin’ny fitoriana tany amin’ny Fitsaràna nefa narodana tamin’ny bulldozer koa ny tranony. (2)
Manamarika ireo mponina nametraka fitarainana fa misy titra sy vita borne ny tany iray ary misy manana karatany ny hafa.
Nandritry ny fifamaliana henjakenjana no nilazàn’ireo tompon’andraikitra fa tetikasan’ny filoham-pirenena (projet présidentiel) io ka tsy azo sakanana ary mananjo mandrodana ry zareo. Voalaza teo koa fa tsy mbola vonona ny vola onitra fa maika ny asa ka tsy afaka miandry.

MISONGADINA NY TSY FANAJANA LALANA

Tsy azo ekena noho ny antony samihafa ny fisehoan-javatra. Fa ny maika sy lehibe tiana havoitra dia ny tsy fanajàna ny lalàna velona eto amin’ny tanin’ny Repoblika Malagasy.

  • Voalaza ao amin’ny Andininy faha-34 n’ny Lalampanorenana Malagasy fa : « Iantohan’ny Fanjakana ny fananan’ny tsirairay zo hanana fanana manokana. Tsy misy fananan’olona azo ongotana aminy raha tsy noho ny tombontsoambahoaka kanefa izany dia tsy maintsy handoavana onitra
    ara-drariny mialoha ».
  • Manaraka izany, maro ireo paikady tsy voahaja mahakasika ny fomba fanesorana olona eo amin’ny taniny nohon’ny filàna ho an’ny tombotsoam-
    bahoaka izay fehizin’ny lalàna 62-023.
  • Tsy natao tamin’ny fomba ara-dalàna ny enquête de commodo incommodo, izay tokony nifototra tamin’ny fanadihadiana feno sy famantarana ireo
    tany voakasiky ny tetikasa nialohavana fampahafantarana amin’ny alalan’ny petadrindrina mandritra ny iray volana ahafahan’ireo olona voakasika
    mahafantatra ny zava-misy sy maneho hevitra mahakasika izany.
  • Tsy nampahafantarina ny mponina ny didim-panjakàna manambara fa ilain’ny tombotsoam-pirenena ireo fananana voakasika (décret de D.U.P.).
  • Tsy nampahafantarina ny mponina koa ny ordonnance-n’ny Filohan’ny Tribonaly ao Fénérive-Est manambara fa ilain’ny tomobotsoam-pirenena ireo fananana voakasika.
  • Tsy nitondra ordonnance ireo manam-pahefàna isa-tsokajiny na ireo tonga nandrodana ny trano sy nandravarava ny tany na ireo nanatrika izany.
  • Tsy nisy ny fiaraha-midinika mialoha momba ny haavon’ny onitra izay notapahan’ny tompon’andraikitra irery ary nataony ambany dia ambany, ny lalàna anefa dia mitaky ny fametrahana Commission Administrative d’Evaluation, ka ireto farany no tokony hanao izany fanombanana izany.
  • Tsy voaloa mialoha ny onitra, araky ny voalaza ao anatin’ny lalàna.

ANTSO AVO HO AN’NY FILOHAN’NY REPOBLIKA SY NY LEHIBEN’NY GOVERNEMANTA ARY IREO TOMPON’ANDRAIKITRA MAHEFA:

* Tsy tokony ho filamatra sy modely eo amin’ny fanajàna ny lalàna velona eto amin’ny Repoblika Malagasy sy ny fanajàna ny zon’olombelona ve ireo tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika (projets présidentiels) ?
* Anisan’ny zon’olombelona fototra ny fahafahan’ny olom-pirenena mametraka fitoriana any amin’ny fitsaràna ka tsy tokony ho saziana manokana na hanaovana «vali-faty» izay mametraka fitoriana. Vao maika mampitombo ny tahotra sy tsy fahatokisan’ny mponina ny fitsaràna ny fanaovana izany.
* Tokony hajaina hatrany ny fanomezana ny onitra sahaza sy faingana ary araky ny fomba izay tsy mampitombo ny fahavoazan’ny mponina satria takiana hanokatra kaonty any amin’ny banky ireo olona izay ampanantenaina onitra saingy very vola be izay manao izany satria hakan’ny banky vola isam-bolana ilay kaonty rehefa tsy misy vola ao.
* Mangataka sy miangavy ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga ny fikambanana ao amin’ny firaisamonim-pirenena manasonia ity fanambaràna ity mba hanome hasina ny ezaka vitan’ny mponina sy hanaja ny zon’ny olompirenena malagasy amin’ny faritra rehetra eto amin’ny firenena fa tsy hanimbazimba fanahy iniana sanatria na handetika azy bebe kokoa amin’ny fahantrana noho ny tsy fitandremana ny lafiny rehetra eo amin’ny fanatanterahana tetikasa, indrindra indrindra ireo voalaza fa ho an’ny tombotsoan’ny besinimaro sy ny firenena.

6 novambra 2024

BIMTT
Collectif TANY – Fikambanana TANY miaro ny tany malagasy
FIANTSO Madagascar
ONG LALANA
Sehatra Iombonana ho an’ny Fananantany (SIF)
(1) https://newsmada.com/2024/10/30/fanamboaran-dalana-trano-miisa-400-narodana-ilain-ny-fanjakana-ny-tany/
(2) https://midi-madagasikara.mg/des-familles-reclament-leurs-indemnisations/

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top