Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Vaovaon’ny Nosy

La gazette de la grande île
05/12/20247 minute read

Asa fanaovan-gazety
Feran’ny fanjakana ny mpanao gazety omeny hitrandraka vaovao

Ny ministera rehetra eto Antananarivo dia manakana ny mpanao gazety tsy hamoaka ny vaovao na ny fanadihadiana any amin’ny ministera any. Hatrany amin’ny valandresaka ataony hoan’ny mpanao gazety avy no isafidianana mpanao gazety mahazo ny vaovao amin’izany. Ireo mpanao gazety izay tian’izy ireo homena ny vaovaony ihany no mahazo alalana hoy ny mpiasa izay hapetrak’izy ireny eo am-baravarana ka mamoaka sy mandroaka mihitsy ireo mpanao gazety izay tsy nahazo fanasana. Ny loza dia milaza ireny olona ireny fa izany no baikon’ny minisitra.
Be dia be ny azo lazaina amin’ izany fa ny amehezana azy dia mihemotra ny demokrasia eto Madagasikara. Manjaka ny ny fitondrana jadona ary tsy misy intsony izany tany tan-dalàna izany.
Midika ihany koa izao fa afenina ny vaovao na izay tiana havoaka ihany no omena ireo mpanao gazety akamakama izay tiana homena izany. Misy vaovao maro no tsy tian’ny minisitra sy ny fanjakana ho fantatry ny vahoaka ankehitriny ka sakanana tsy hanao ny asany ny mpanao gazety izay tsy atokisana fa hilaza ny zavatra tian’izy ireny havoaka.
Izao tranga izao dia hita isaky ny ministera, eny ny toerana fanaovana valandresaka hoan’ny mpanao gazety ankehitriny ary ireo hôtel izay anaovana fivoriana.
Mihemotra fa tsy mandroso intsony ny firenena ka taratry ny fahalemen’ny fitondrana izao.

Fitsarana Avo na ny HCJ
Andrianirina Narcis no solotenan’ny depiote

Depiote 20 amin’ny 160 no tonga nifidy ny depiote hisolo tena azy ireo ao amin’ny Hcj. Lany tsy nanana mpifaninana Andrianirina Narcis. Izy izany no tompon-toerana voalohany. Ny faharoa dia Maminirina Jolce Emilien. Ny fiandry dia ramatoa Raby Savatsarah sy Rivoniaina Jean Bosco.
Ireo indray izany no hisolotena ny Antenimierampirenena hiaro ny mpanao kolikoly avo lenta amin’izao fotoana izao. Ny vato misakana ny fanaovana ny fanadihadiana ireo mpanao kolikoly ao amin’ny mpitondra ambony dia ny depiote ireto raha ny zava-misy teo aloha. Tsy ny fametrahana ny olona ho ao amin’ny Hcj no olana eto Madagasikara fa ny lalàna mihefy azy izay tsy tokony hisy depiote velively.
Tsy misy zavatra azo antenaina amin’ny asan’ny HCJ ity noho ny lalàna sadasada apetraka io. Andrim-panjakana natao hihinana ny volam-panjakana sy ny volam-bahoaka fotsiny sisa no ipetrahan’ny HCJ.

“ Zone de libre Échange ”
Hanapotika ny orinasa malagasy

Lany tao amin’ny antenimieram-pirenena tao Tsimbazaza ny fidiran’i Madagasikara amin’ny zone de libre échange aty afrika andro vitsivitsy izay. Tsy misy miresaka firy ity lalana ity nefa hitarika olana be ara-toekarena eto amin’ny firenena. Ity sehatra ity izay midika fa hanamora ny sehatra ara-barotra amin’ny firenena mpikambana. Misy mpikambana hatrany amin’ ny 20 eo ho eo no ao anatiny ary niditra nanampy azy i Madagasikara. Afaka manondrana entana ara-barotra sy manafatra entana avy amin’ireo firenena ireo isika malagasy amin’izao fotoana izao. Ambany dia ambany ny haba alaina amin’izany ary ho hamoriana ny fifandraisana any amin’ny seranana. Midika izany fa hitobaka ny entana vokatra afrikanina ho tonga eto Madagasikara. Ho mora noho ny vidiny eto an-toerana izany.
Izany anefa dia hanapotika ny toe-karena malagasy fa tsy hahasoa azy satria ny varotra avy any ivelany no hanjaka amin’izany sy hitobaka eto. Isika malagasy tsy manana entana ara-barotra hamidy sy hifaninana any amin’ny firenena ireo. Vokatr’izay dia ny vola malagasy no tsy maintsy mivoaka any ivelany ka hitarika fatiantoka hoan’ny firenena.
Misy moa depiote faly amin’izao fidirana amin’ny « zone de libre échange » aty afrika izao satria hono ho mora ny entana hamidy eto Madagasikara. Tena mampalahelo satria azo lazaina fa fohy fisainana sy tsy ampy fahalalana izy ireo. Hatao ahoana fa izany no mpitondra sy depiote mpanao lalàna malagasy. Io izany ve ilay Madagasikara tsy maintsy mandroso? Mampalahelo!
Na tian-tsika na tsy tian-tsika dia hanapotika ny orinasa malagasy ity fidirana amin’ny « zone de libre échange » raha izao toe-karena iainana izao ity. Potika ny firenena. Hiteraka olana vaovao indray hoan’ny firenena izany.

Fasimainty any Toliara
Fitahina farany hoan’ny fitondrana

Poritra ara-bola ny fitondrana ka tsy maintsy nosokafana ihany ny fitrandrahana Fasimainty any Toliara. Tao anatin’ny folo taona mahery izao no efa tokony hiasa ity orinasa ity nefa dia navela teo. Raha ny loharanom-baovao mahakasika azy ity dia ny fiadiana tombotsoa hoan’ny mpitondra sasantsasany ao amin’ny mpomba ny fitondrana io no tena olana tsy nampisokatra azy. Endrika ivelany fotsiny ny fampiadiana ny mponina tany Toliara maro nandritra ny taona maro ireny.
Poritra ara-bola ny fanjakana ankehitriny satria zara raha manana ny vola hilaina handoavana ny volan’ny mpiasam-panjakana sy ny hampiodinana ny fitantanan-draharaha ato amin’ny firenena. Ny famatsiam-bola avy any amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena toa ny Fmi sy ny Banky iraisam-pirenena tsy nomeny intsony. Voatery tsy maintsy nomena ny fahazoan-dalana hanokatra indray ny fitrandrahana ny Fasimainty ity ny fitondrana na dia tsy nazoto loatra amin’izany aza. Lany vola ka mitady vola ny fitondrana ka io no isan’ny lalana iray hampidirana vola hanetsemana ny banga ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana.
Lasa nanaram-penitra indray ilay orinasa izay nasiana fanakianana be nandritra ny folo taona mahery izay. Nahafeno ireo fepetra tampoka teo. Poritra ka tsy maintsy nanome ny fahazoan-dalana hisokatra ny fitondrana Rajoelina. Ny mponina any an-toerana koa efa tratran’ny fahantrana be loatra ka tsy nijery raha tsy ny hanina androany ihany.

Cour des comptes
Voakiana mafy ny fitantanana rehetra amin’ny fitondrana ankehitriny

Mahatratra 19 pejy ny fanakianana ny zavatra tsy mandeha sy nahofokodina amin’ny fitondrana entin’ny Andry Nirina Rajoelina izao. Kolikoly halatra ary tsy fahaizana miasa no anton’izany. Tatitra ampahibemaso ny fitantanana ny firenena 2023-2024 izany.
Sehatry ny vary, ny jono, ny omby, ny ady amin’ny tsy fahampian-tsakafo, ny herinaratra dia ny Jirama, ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na ny mahavavy, ny vatsim-pianarana, ny fahasalamana, ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny teti-bolam-panjakana 2020 sy ny fanaraha-maso ny fitantanana ifotony sy ny asa ara-tetibola.
Tsy mandeha amin’izay laoniny ireo rehetra ireo fa feno zavatra tsy mety daholo. Voakiana mafy izany izay nataon’ny « Cour des comptes » ity.
Raha ny fitsarana ampahibemaso nataon’ny fitsarana momba ny fitantanana ny volam-panjakana iny no jerena dia tsy mahomby ity fanjakan’i Rajoelina ity ary mbola ho zava-doza noho izao no hitranga amin’ny taona 2025 ho avy io raha iny fitsarana iny.

Fampianarana
Ny nataon’i Ravalomanana Marc ihany no tohizin’ i Rajoelina

Ny taona 2023 dia nanambara Ravalomanana Marc fa hofanina ho mpandraharaha ny mpianatra eto Madagasikara. Dia nampiharina ny fandaharam-pianarana io ka natao ny antsoina hoe « redoublement zero » sy ny « approche par les compétences « . Tonga dia afindra kilasy izay rehetra mianatra any ampianarana na mahay na tsy mahay.
Vokatr’izany dia nikorotana tanteraka ny fampianarana sy ny fanabeazana tamin’ny sekolim-panjakana. Dia izao iarahana mahita izao ny vokany fa potika ny fampianarana.

Ankehitriny indray dia nanao fanambarana ny filohampirenena Andry Rajoelina tamin’ity herinandro ity fa misy indray izany fandaharam-pianarana vaovao antsoina hoe « ankizy mihary ». Ka hampianarina fandraharahana hatrany amin’ny EPP ny zaza malagasy. Na afaka CEPE na tsy tsia dia hampianarina amin’ny fandraharahana ity avokoa.
Raha fakafakaina sy dinihina io rafitra vaovao entin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny ministry ny fampianarana Sahondramalala Marie Michelle io dia mitovy tsy misy valaka amin’ny ny nataon’i Ravalomanana Marc tamin’ny taona 2003-2004 nanovany ny fandaharam-pampianara teto Madagasikara iny.
Ity tetika vaovaon’ny fampianarana ity dia hita fa hamolavola ankizy malagasy ho « manœuvre » ny fanjakana Rajoelina fa tsy ho mpandraharaha izany. Kilonga mbola tsy feno ny maha olona azy ve dia ho terena handraharaha avy hatrany kanefa mila fepetra izay tsy mbola ho hita any amin’ny EPP velively izany. Miala tsiny fa tsy mbola zakan’ny kilonga any amin’ny EPP izany fampianarana ho mpandraharaha izany. Aoka isika handinika tsara fa aza potehina ny firenena. Tsara ny fandraharahana fa rehefa mahafeno ny fepetra amin’ny maha olona azy ny ankizy izay vao tokony hisafidy izany fandraharahana izany.
Tsara dia tsara ny fananan-karena fa mbola ao ambonin’ izany ny fanabeazana. Tsy diso angamba ny sekoly teknika fa hatrany amin’ny CEG sy ny Lycée vao misafidy ny hanao asa teknika toa izao.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top