Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Vaovaon’ny Nosy (tohiny)

La gazette de la grande île
08/04/20252 minute read

Base Toliara

Melohin’ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena i Siteny

Ny alatsinainy faha 7 aprily 2025 dia nanao valan-dresaka hoan’ny mpanao gazety ny birao maharitra ny Antenimieram-pirenena, teny amin’ny lapa teny Tsimbazaza no nanaovany izany tamin’ny 3 ora tolakandro.
Raharaha fanonganam-panjakana no sokajian’ny biraon’ny Antenimieram-pirenena iny fitarihana olona nataon’ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko sy ny namany ary ny vahoaka momba azy tao Toliara ny herinandro lasa teo. Nambaran’izy ireo koa fa fandikana lalàna tanteraka ny nataon’i Siteny sy ny depiote niaraka taminy ka tokony ho faizina araka ny lalàna manan-kery sy ny fitsipika anatiny ao amin’ny andininy faha 207 izy ireo.
Mandeha dia mandeha moa ny resaka ao Tsimbazaza ao fa mety hisy mihitsy ny mety ho fanesorana ny « immunité parlementaire » ka hanaovana fanadihadiana any amin’ny fitsarana ny depiote Siteny satria dia nampiasa herisetra tamin’ny mpitandro ny filaminana ity depiote ity.
Misy koa ny resaka mandeha fa resaka vola no tena anton ‘ izao korontana any Toliara momba ny « base Toliara » ity satria dia voalaza fa misy ny mieritreritra ny hahazo volabe amin’ ity raharaha ity. Miady noho izany ireo lohandohany any Toliara noho izany. Ho hitantsika eo ihany ny tohiny satria dia mafana be ny raharaha.

Base Tuléar

Nifamory ny foko maro fa tsy manaiky ity orinasa ity intsony

Mihasarotra andro aman’alina ny raharaha  » Base Tuléar » ity. Fantatra izao fa nifamory ny foko maro any Toliara fa tsy manaiky ny fametrahana ity orinasa ity any intsony. Voalazan’ny loharanom-baovao azo androany talata 8 aprily 2025 fa nihaona sy nifamory ireo foko ireo ka nanao tsitsina tamin’ny alalan’ny omby araka ny fomban-drazana. Tonga hatramin’ny foko maro avy any ambanivohitra.
Mitaintaina mafy sy matahotra ny olona tsotra noho izany satria dia mafana ny raharaha raha araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana ihany.
Ny fitondrana moa dia manao izay fomba rehetra handehanan’ny orinasa Base Tuléar ity. Ny depiote tarihin’i Siteny Randrianasoloniaiko ankilany tsy manaiky. Atahorana ny hisian’ny fifandonana eo amin’ny mpomba ny fitondrana sy ny mpanohitra noho izany satria dia nivadika raharaha politika tanteraka ity raharaha ity. Samy milaza ho manana olona manaraka azy avokoa ny andaniny sy ny ankilany.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top