1 mai : fankalazana ny fetin’ny Asa manerantany. Hoan’ny eto Madagasikara manokana raha Antananarivo no asian-teny dia hanao filaharana ireo mpiasa sy ny sendikà vitsivitsy. Toerana maro no hisian’ny filaharana izay miainga avec Mahamasina sy Anosy ary 67 ha ka mihazo eny Ankorondrano eo amin’ny Tanimenabe. Eo izy ireo no hanao fanehoan-kevitra. Hilaza ny maharary azy toa ny tsindry hazolena ataon’ny mpampiasa fa indrindra ny fanjakana.
Ny any amin’ny faritany sy ny faritra indray dia mangingina tsy andrenesam-peo. Tsy misy mihevitra intsony izany fetin’ny asa izany fa variana tanteraka amin’ny adim-piainana sy ny fahantrana.
Raha mitaha amin’ny fihetsiketsehana nisy tany amin’ny taona 1960-2000 ny tolona fitakiana amin’ny tsindry hazolena sy fanararaotana ataon’ny fanjakana sy ny mpampiasa dia azo lazaina fa resy tanteraka ny mpiasa malagasy. Tsy afaka niady ny zony intsony. Tsy mahalala ny tombotsoany intsony.
Raha vao mihetsika manao ny fitakiana sy maneho ny heviny ireo sendikan’ny mpiasa eto Madagasikara dia ny miaramila sy ny zandary ary ny polisy no miandry azy ireo. Matetika dia voasambotra sy ampihorohoroana ny mpitarika sendikaly eto Madagasikara. Nangina tanteraka ny sendikan’ny Mpampianatra mpikaroka na ny SECES eny amin’ny oniversite izay azo lazaina fa lehibe indrindra fa hatramin’ny nisamborana ny filohany teto Antananarivo ny profesora Samu tamin’ny taona lasa iny dia nangina tanteraka izy ireo. Ny Sendikan’ny Randrana sendikaly sisa no tena mbola mahasahy mijoro sy manohitra ny zavatra tsy mety eto na dia efa nampisambotra sy nampihorohoro aza ny filohany.
Azo lazaina fa resin’ny mpampiasa sy ny mpitondra fanjakana ny mpiasa malagasy ka tsy afaka niady ny zony intsony ankehitriny. Vokatr’izany dia mahantra ny mpiasa malagasy ka zara raha velona ankehitriny. Very zo tanteraka.
Resy tanteraka ny mpiasa malagasy
La gazette de la grande île
02/05/2025•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
406182
Your IP Address: 176.158.100.127
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »