Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Maître Nicole : NIALA NY SARON-TAVA

La gazette de la grande île
11/11/202550 second read

Nicole Andrianarivoson no mpisolovava an’i Naina Andriantsitohaina, mazava ho azy fa mpiaro ny SMGD ihany koa mikasika ilay vola 11 miliara navoaka tao.
Nilatsaka ihany ny saron-tava ankehitriny ary mampiseho ny zava-miafina nandritra ny taona maro.
Mpanolontsaina manokan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny mpisolovava Nicole Andrianarivoson. Voaporofo nefa izao fa mpiaro an’i Naina Andriantsitohaina ny tenany. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe: “ isan’ireo mpamadika tao amin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina ve ity mpisolovava ity sa ny fitondrana HVM mihitsy no nanao sarimihetsika mody niady tamin’ny fitondrana TGV?”
Nicole Andrianarivoson ihany koa no mpisolovava an’ilay teratany karana Mamod Taki, nitory ny La Gazette de la Grande Ile, rehefa namoaka ny tsiambaratelo mahakasika ny fiverenan’i Mamod Taki teto Antananarivo ny gazety.
Nialohan’iny fifidianana izay hitarika ny Vondrona Afrikana iny koa nefa dia niara-nisakafo maraina tao amina hotely lehibe iray tatsy Maorisy i Mamy Ravatomanga sy i Hery Rajaonarimampianina. Manaporofo hatrany ny fifandraisan’ny HVM amin’ireto mpambotry firenena izany. Izao iaraha-mahita izao moa fa ny mpanolontsainan’ny filoha teo aloha no mpisolovavan’i Naina Andriantsitohaina sy ny SMGD.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top