Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Rinah Rakotomanga : NIFARANA NY DIA

La gazette de la grande île
15/11/202525 second read

« Vovon’alika, tsy hery fa tahotra », hoy ny Ntaolo. Novakiana fotsiny ireny fihetsiketsehana be nataon’i Rinah Rakotomanga ireny fa tahotra noho ireo raharaha niandry azy: nitarika olona an-dalambe, niakatra Don-dresaka, sns. Tsy vitan’izany fa mbola mety ho nentina nanamarinana ny fandaniana ireo vola nankinin’i Andry Rajoelina taminy mihitsy aza.

Niezaka namadika ho antony ara-politika ny amin’izay mety ho fanenjehana azy i Rinah Rakotomanga, saingy diso paika tanteraka. Resaka Madagascar Airlines ity raharaha amin’ny Bianco sy PAC, fa mbola maro ireo afera miandry azy raha ny fanampim-baovao.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top