Ity Brigitte Razaka ity no nampiasain’ny fitondrana Rajoelina, namotehana an’i Lola Rasoamaharo. Ambodia mitafy hodi-janakondry, izay no azo ilazana azy ary tsy misy tandroka tokoa ny mpanao ratsy.
Nifanaraka i Brigitte Razaka sy Lola Rasoamaharo fa hanangana building ka izy no hiantoka ny fananganana ny trano; Lola Rasoamaharo kosa no nanome ny tany (lafo vidy sady tsara toerana akaikin’ny Résidence de France Ivandry).
Fantatry ny fitondrana TGV izany fiaraha-miasa izany ary nanomboka teo ny teti-dratsy rehetra. Nifandray tendro ny fitondrana TGV izay nisoloan’i Naina Andriantsitohaina tena sy Brigitte Razaka. Raikitra ny teti-dratsy: Brigitte Razaka, tsy te hanome ny anjaran’i Lola Rasoamaharo; Naina Andriantsitohaina kosa te hampiditra am-ponja azy.
Namoronana « dossier » i Lola Rasoamaharo ka nosamborina avy eo notànana am-ponja sy nomelohina mihitsy.
Orinasa maro no efa nanaovan’ity Brigitte Razaka ity raharaha maloto tahaka izao. Fantatra fa efa misy fanamelohana azy noho fisolokiana sy fivadiham-pitokisana any Angletera. Misy mpandraharaha vahiny iray izay nisahana ny fiarovana ny seranam-piaramanidina Ivato ihany koa.
Ampiasainy amin’ny asa maloto ataony mantsy ny maha vadina « consul » ny tenany. Noho ity fanagadràna an’i Lola Rasoamaharo, noho ny raharaha maloto nataon’i Brigitte Razaka ity moa no namoahan’i Naina Andriantsitohaina ilay vava hoe: « haringana ny fananan’i Lola dia hanaterana scoobidoo sy 500 Ar ataony frais rehefa mivoaka ny fonja ».
Tsy ampoizina mihitsy ireo vehivavy mahavita zava-doza eto amintsika. Maromaro izy ireo izay niakatra teny amin’ny Bianco sy ny PAC tato ho tao. Anjaran’i Brigitte Razaka indray izao no handalo eny anivon’ny Fitsarana Tampony. Tokony ho faizina araka ny Lalàna velona ny olona tahaka itony.
Brigitte Razaka AMBODIA MITAFY HODI-JANAKONDRY
La gazette de la grande île
17/11/2025•2 minute read

Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5677865
Your IP Address: 216.73.217.65
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





