Nandritra ny tafa sy dinika nifanaovany tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny RNM sy ny Real TV tamin’ny alahady faha 15 Novambra 2025 tamin’ny 7 ora hariva tamin’ny filohan’ny fanjakana Fanavaozana Mickael Randrianirina sy ireo olona nasainy teny Iavoloha nanatrika ity valan-dresaka ity no nahafantarana fa samy mandrirotra amin’ny fahatakarany ny antsoina hoe « Fanovana Rafitra » ny malagasy.
Tsy mazava amin’ny ankamaroan’ny olona ny antsoana hoe « Rafitra ». Ny zava-misy notenenin’ny olona nanatrika iny valandresaka iny no nanaporofo izany satria toa mivaona amin’ny Rafitra hitondrana ny firenena hoamin’ny fanavaozana no hita. Mila manao fanazavana bebe kokoa ny antsoina hoe » Rafitra « ny fitondrana hoamin’ny fanavaozana raha tiany hahomby iny tolona nataon’ny GenZ iny sy ny malagasy ary ny Capsat. Tena azo antoka fa ady hevitra mitovy amin’ireny no hitranga amin’ny fihaonam-be nasionaly izay kasaina hatao atsy ho atsy.
Raharaham-pirenena Samy nandrirotra ny teny hoe fanovana rafitra amin’ny fahatakarany azy ny malagasy.
La gazette de la grande île
18/11/2025•39 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5710769
Your IP Address: 216.73.216.26
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





