Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

HCJ: Ravao fa tsy misy ilana azy

La gazette de la grande île
25/11/20252 minute read

Tamin’ny taona 2018 no nanomboka niasa ny HCJ na ny Fitsarana Avo. Hatramin’izay ka hatramin’izao taona 2025 izao dia tsy nisy na olona iray aza nanaovana fanadihadiana na nosamborina na koa nogadraina. Ny HCJ dia fitsarana natao manokana hoan’ny filohan’ny andrim-panjakana sy ny mpiasam-panjakana ambony ka ity fitsarana ity dia natao hoan’ny Filohan’ny Repoblika, ny Praiminisitra, ny filohan’ny antenimieram-pirenena, ny Senat ary ireo minisitra.
Ny olana lehibe amin’ny HCJ dia noho izy tsy maintsy miandry ny fakantoavan’ny solombavambahoaka vao afaka manao ankety na fanadihadiana. Teo anatrehan’izay dia voa maika nampiroborobo ny kolikoly sy ny tsimatimanota ny fisian’ny HCJ ity.
Ny depiote tamin’izany andro izany dia milaza fa sarotra no hampigadra minisitra sy mpanao politika satria hono izay tsy minisitra androany mbola ho minisitra rahampitso ka ho feno olona ambony any am-ponja. Mbola izany koa no voalazan’ireo depiote amin’izao fotoana izao ireo ny ankamaroany.
Teo anatrehan’izany dia tsy niasa mihitsy ny HCJ ity. Izany no antony tsy nisamborana sy ny tsy nanaovana fanadihadiana ny minisitra 14 lahy izay efa tokony hanaovana famotorana voalohany noho ny halatra sy kolikoly niampangana azy ireo tamin’ny andron’ny Hery Rajaonarimampianina.
Fantatry ny minisitra sy ny filohan’ny andrim-panjakana tanteraka ny mahakasika ny lalàna mifehy ny HCJ ity ka izany no nahatonga ny kolikoly sy halatra nataon’ny mpitondra ambony tao amin’ny fitondrana Andry Nirina Rajoelina farany teo iny.
Raha tena hiady amin’ny kolikoly sy halatra ao amin’ny fitondram-panjakana ny fitondrana fanavaozana amin’izao fotoana izao dia ny mandrava ny HCJ ity no tokony hataony ka ny fitsarana ambaratonga voalohany ihany dia afaka hitsarana ny mpitondra ambony eto Madagasikara.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top