Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Governoran’ny faritra Miady toerana ny GenZ

La gazette de la grande île
01/12/202543 second read

Filaharana tsy misy toa izany no nitranga androany alakamisy faha 27 Novambra 2025 tetsy amin’ny ministeran’ny Atitany Anosy amin’ny fanaterana ny antontan-taratasy hidirana ho governoran’ny faritra.
Taratasy karazany roa no takiana amin’izany dia CV sy ny fandaharan’asa ny mpilatsaka izay ho tanterahana ao anatin’ny roa taona.
Tanora GenZ avokoa no ankamaroan’ny mpilatsaka amin’ity raharaha ity ka misy mahatratra hatrany amin’ny 30 ny kandidà amin’ny faritra iray. Mahatratra hatrany 1000 any ho any izy ireo ho amin’ny faritra 23 manerana ny Nosy.
Lasa ady toerana ny raharaham-pirenena amin’ izao fitondrana tetezamita n’ny fanavaozana izao. Feno tanora GenZ eran’ny ministera. Tena nivaona tanteraka ny resaka filazana fa ny fanovana sy ny fitakiana ny rafitra vaovao hitantanana ny firenena no tanjona. Lasa nivadika ady seza no mibahan-toerana ataon’ ny tanora GenZ ireto amin’izao fotoana izao.
Nivaona amin’ny tanjona tiana hahatongavana tanteraka ny raharaha ny GenZ ankehitriny ka mampanahy ny hisian’izany fanavaozana izany.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top