Miandrandra fatratra ny ho naman’ny vahoaka ianareo ry zandary. Izahay ihany koa mba te ho namanareo, ary ho namana mahatoky.
Ataonao ahoana anefa ny ahatoky anareo ra mbola fandikan-dalàna miopampana no itanay eny rehetra eny, ary ireo zandary mitazam-potsiny sy miray tsikombakomba amin’ireo mpandika lalàna ?
Tsy ho namanareo izahay ra mbola mahita Taxi-be miodina an-dalana na manao taingim-be na tsy manaja fitsonana ka tazanin’ireo zandary eny ankianja fotsiny.
Tsy ho namanareo izahay ra mbola mahita fiara mpitatitra mitondra entana avo mihoatra ny tokony ho izy izay mampidi-doza ny mpandeha anefa odianareo tsy hita fa raisinareo ny tsolotra kely atolotry ny mpamily anareo.
Tsy ho namanareo izahay ra mbola mitazam-potsiny any anaty birao ianareo lehibe izay mahalala tsara ny zava-misy eny an-kianja anefa mamela anay vahoaka hiady irery amin’ny tsy fanakàna mahazo anay ataon’ireo mpitatitra sy ireo zandary.
Ra tia ho namanay ianareo sy hifampatoky isika, dia raiso ny andraikitrareo.






