Mandeha haingana ny andro ary fohy ny fotoana sisa roa taona nifanarahana hitantanana ny fanjakana tetezamita na fanavaozana izay hidirana amin’ny Repoblika faha dimy izay tanjona amin’izao fanovana izao. Dimy volana izay no lasa, mbola tsy hita ihany izay tena fanovana fa mbola variana miady toerana ny mpanao politika sy ny mpitolona ary ny miaramila. Samy te hitantana izao fitondrana izao avokoa.
Sahirana ny filoha Michael Randrianirina sy ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana amin’ny fanendrena izay olona hatao minisitra ao amin’ny governemanta faharoa ity. Herinandro mahery izao no lasa tamin’ny fanendrena ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana ity. Hatramin’izao anefa mbola tsy mivoaka izany. Hita fa misedra fahasahiranana izy roalahy ireo. Nanafatra fitaovana nomerika avy any ivelany mihitsy hanampy azy nefa dia mbola mitavozavoza izao ihany. Raha tarafina amin’ny zavatra misy izao dia mampanahy ny fahavitana ny Tetezina ao anatin’ny 24 volana napetraka tery ampiandohana.
Maro ny malagasy no manomboka kivy amin’ny zava-misy ankehitriny fa tsy araka ny nanampoizany azy. Sanatria ve dia mbola hanenina indray.
Minisitra ao amin’ny Governemanta Sahirana ny filoha Michael Randrianirina sy ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana
La gazette de la grande île
23/03/2026•48 second read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5677749
Your IP Address: 216.73.217.65
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





