Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

NY FAMERENANA NY FITOKISANA NO ADIDY MAIKA HO AN’I MADAGASIKARA

La gazette de la grande île
23/03/20262 minute read
Efa lalina ny krizy iainan’i Madagasikara: krizin’ny fitokisana. Tsy resaka tsaho intsony izany, fa zava-misy tsapan’ny vahoaka isan’andro.
 
Fiampangana mavesatra no mitohy Etsy sy eroa, fifandirana anatiny no miseho, ary manjaka ny hafatra mifangaro. Ao anatin’izany rehetra izany, toa very toerana ny mangarahara sy ny rariny. Reraka ny vahoaka. Reraky ny teny tsy mitombina. Reraky ny fampanantenana tsy tanteraka. Ary indrindra, reraky ny tsy fahatokisana.
Tsy afaka mitohy intsony izao toe-draharaha izao.
 
Ny fametrahana governemanta vaovao dia tsy tokony ho fanovana anarana fotsiny, fa fanovana lalana. Tsy mila mpitondra miteny betsaka intsony i Madagasikara, fa mila mpitondra manao.
 
Mazava ny takian’ny fotoana: averina ny fitokisana. Fa tsy amin’ny kabary. Tsy amin’ny fampanantenana. Fa amin’ny asa hentitra sy hita maso.
 
Midika izany:voalohany,fahamarinana tsy misy fandeferana. Faharoa : ady amin’ny kolikoly tsy misy tahotra. Faha telo: fanapahan-kevitra mazava sy tsy miovaova. Ary farany: fitondrana manakaiky ny vahoaka fa tsy lavitra azy.
 
Tsy ekena intsony ny korontana sy ny fifanoherana eo amin’ny fitondrana. Rehefa tsy mazava ny lalana dia very ny firenena.
Tokony ho tsotra ny fitsipika: “ teny iray. lalana iray. asa iray”
 
Ny Fanjakana dia tsy maintsy mijoro: hiaro ny vahoaka, hanasazy ny tsy rariny, hampitsahatra ny kolikoly, ary hanome lanja ny hoavin’ny taranaka.
 
Raha tsy miverina ny fitokisana, tsy hisy fampandrosoana. Raha tsy misy fahatokisana, mijanona ny firenena.
 
Fotoana izao hanapahan-kevitra . Fotoana izao hanaovana asa. Fotoana izao hanovana.
 
Na mamerina ny fitokisana isika, na ho very tanteraka i Madagasikara.
 
Masina ny Tanindrazana.
Partager cette article
Articles connexes
Back To Top