Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Taom-baovao malagasy Niverina ny maha malagasy ny malagasy

La gazette de la grande île
23/03/20262 minute read

Taitra tamin’ny torimasony ny malagasy ka nahazo vahana ny taom-baovao Malagasy 2026 ity teo ny taom-baovao Malagasy araka ny fomba fanisana ny taona sy ny andro malagasy fahagola ka niainana sy namaritra ny fomba fiainana amin’ny andavan’andro hatramin’izay. Na aiza na aiza eto Madagasikara dia ny Alahamady no voalohan’ny taona. Eo amin’ny zoron-trano avaratra-atsinanana no misy azy io. Mihodina miatsinanana sy atsimo izy io manaraka ny zoron-trano efatra ka rehefa tafaverina eo amin’ny zorony atsinanana indray izany dia iray taona izay. Mizara roa ambin’ny folo ny anarana ao anatin’ny iray taona io. Ny andro indray dia miyondfa anarana 28 dia izay no antsoina hoe iray volana hoan’ny manaraka ny fihodinan’ny volana ka ny tsinam-bolana indray no mamaritra izany. Misy koa anefa ny fanisana hafa izay 30 na 31 andro ny iray volana. Tiana anefa ny manambara fa mifameno ireo fanisana andro ireo rehefa tonga ny volana tsinam-bolana ny volana martsa sy aprily satria miakina amin’ny resaka fifandraisan’ny volana sy ny tany ary ny masoandro sy ny kintana izany.
Efa hatramin’ny ela ny malagasy no nahay nampifandray ny fisian’ny zava-boahary noforonin’Andriamanitra ireo ka nampifandray izany amin’ny fandaminana ny fiainan’ny zavaboahary sy ny olombelona ka nahatonga ny fandaminana ny fiainana tety ambon’ny tany.
Izany no antony nisian’ny taom-baovao Malagasy ity izay fanisana ny andro ka namaritra ny fandaminana ny fiainana sy asa fivelomana teto Madagasikara. Nisy fomba sy finoana koa niaraka tamin’izany. Izany no nantsoina hoe fomba sy ‘olon-tiana malagasy izay nahasambatra azy fahiny.
Ankehitriny dia mahatsapa ny malagasy fa zava-dehibe ny kolontsaina sy ny fomba ary ny tantara ka manomboka mahazo vahana ny famerenana ny fomba fahiny. Nahazo vahana tamon’ ny faritra maro ny taom-baovao Malagasy malagasy tamin’ny taona ity. Hatao andro tsy fiasana izany araka ny voalazan’ny fitondrana Fanavaozana manomboka amin’ny fahavitan’ny fihaonambem-pirenena araka ny did

Tamin’ny alakamisy faha 19 martsa

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top