Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

“ Fonds Souverain Malagasy “: Mila fisehoan’ny tena fahamarinana marina sy fijoroan’ny fitsarana ny Malagasy.

La gazette de la grande île
24/03/20262 minute read

Eto Madagasikara, manan-danja ny ariary tsirairay. Ny sekoly tsy vita, ny hopitaly tsy ampy fitaovana, ny lalana simba dia mampahatsiahy antsika zavatra iray: firenena mahantra isika, voafetra ny harenantsika.

Kanefa…

Ny tatitry ny “Cour des comptes “momba ny fitatanana tao amin’ny “Fonds souverain malagasy “dia mampiseho zava-misy hafa mihintsy: fitantanana tsy mazava, tsy  mifanaraka amin’ny tanjon’ny “Fonds”  ary mampiahiahy ny fitatanana ny volam-bahoaka tao nandritra ny fitondrana teo aloha.

Mazava ny zavatra hitan’ny  “Cour des comptes”. Misy fanodinkodinam-bolam-bahoaka ny dikany.

 Famoahana renivola tsy mazava

 Famindrana vola be avy amin’ny Banque Centrale de Madagascar ho any amin’ny banky tsy miankina

 Fandaniana tsy mifanaraka amin’ny tanjon’ny tahirim-bola

 Fandoavam-bola tsy mazava, indrindra ho an’ny AFG Assurance

 Tsy fisian’ny tatitra ara-bola mazava

Manoloana izany zavatra tsy rariny sy maloto dia maloto nataon’ireo tompondraikitra teo aloha ireo  dia ilaina tsy misy atakandro ny :

  1. Hafantarana mazava ireo tompon’andraikitra rehetra, tsy misy ankanavaka
  2. Atomboka ny fanenjehana ara-pitsarana
  3. Haverin’izy ireo amin’ny fanjakana ny vola very

Ny “Fonds souverain malagasy “ dia tokony ho natao hiaro ny fiandrianam-pirenena. Kanefa, nivadika ho fitaovana miafina hanompoana tombontsoa manokana any ireo tamin’ny fitondrana teo aloha.

Ho an’ny fanavaozana, mazava ny safidy :

Ny Rariny, ny mangarahara ary ny fanavaozana.

Tsy maintsy hampiarina ny sazy ary tsy maintsy havaozina tanteraka io “Fonds souverain malagasy “

Masina ny Tanindrazana.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top