- Fahaleovan-tena sa fiankinana amin’ny hafa?
- Fisainana manokana sa fanarahana ny hafa?
- Fahaiza-mandinika sa fitadiavana fanamarinana ivelany?
Isika Malagasy dia olombelona manan-tsaina sy manam-panahy. Afaka misafidy isika.
Fa tandremo: misy safidy mitondra amin’ny fahombiazana, ary misy safidy mitondra amin’ny fahapotehana.
Raha fahombiazana no tadiavina, izao no karazan’olona ilaina:
Ny olona manana ny maha-izy azy:
- miantehitra amin’ny sainy sy ny fahalalany
- miorina amin’ny soatoavina sy foto-kevitra mazava
- mihaino ny feon’ny fieritreretany
- mahavita mandray fanapahan-kevitra mahaleo tena
Fa raha lalana mankany amin’ny fahapotehana kosa no arahina:
Ny olona miankina amin’ny hafa:
- tarihin’ny hevitry ny manodidina
- manaraka fotsiny ny ataon’ny hafa
- tsy mandinika lalina
- mitady fankatoavana sy fiderana
Mahaiza misafidy.
Ny firenena iray tsy afaka mandroso raha miankina amin’ny hafa ny sain’ny mpitondra sy ny vahoaka.
Ny fahantrana dia tsy voatery ho anjarantsika Malagasy fa vokatry ny safidy diso sy ny tsy fahaleovan-tsaina.
Koa raha tena “refondation” no tanjona, dia mila manomboka amin’ny fanovana ny toe-tsaina: toe-tsaina mahaleo tena, sahy mandinika, ary sahy mandray andraikitra.
Indrindra ho an’ireo mpitondra, izay raiamandrenin’ny firenena: ny safidinareo no mamaritra ny ho avin’i Madagasikara. Tsy ny kabary no hanova an’i Madagasikara, fa ny safidy sy ny asa atao isan’andro.
Izaho dia efa nisafidy. Ary mino aho fa afaka misafidy ny ho tsara kokoa isika rehetra.





