Aoka isika sahy hijery ny lalana nodiavin’ny toekarentsika, mba hananganana fahaleovantena maharitra.
Amin’izao fotoana iresahana ny “refondation” eto Madagasikara izao, dia ilaina ny mijery mazava sy marina ny lalana nodiavin’ny toekarentsika nandritra ny dimampolo taona lasa. Mila fantarina tsara ny olana misy ankehitriny indrindra eo amin’ny lafiny toekarena mba hahitana vahaolana maharitra.
Nandritra izany fotoana izany, dia nampiharina teto amintsika ny programa fanitsiana ara-toekarena (PAS) ma “Programme d’ajustement structurel” tao anatin’ny fahasahiranana ara-bola sy ny fidirana tsikelikely amin’ny rafitra iraisam-pirenena.
Io PAS Io, niaraka tamin’ny fahalemena teo amin’ny fitantanana ny fanjakana, dia niteraka olana lalina sy maharitra ankilany.
Etsy andaniny tsy mitovy ny vokatr’ity PAS ity eo amin’izao tontolo izao : misy firenena mahazo tombony, ary misy ny very. Ary mazava ankehitriny fa isan’ireo mbola miatrika vokany ratsy i Madagasikara. Hita maso sy hita mivantana izany :
- marefo ny fanjakana,
- miankina amin’ny vola avy any ivelany,
- miverimberina ny fahantrana,
- ary voafehin’olom-bitsy ny fanjakana.
Ny vokatr’io PAS io, izay iainan’ny Malagasy, dia lalina sy maro :
- nitombo ny tsy fitoviana eo amin’ny olona ny maro an’isa mahantra , ny vitsy mia manana foana.
- nihena ny herin’ny fanjakana amin’ny fanampiana ny vahoaka (sekoly, hopitaly),
- nisy fiantraikany tamin’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza,
- ary voafetra ny fahafahantsika mifehy ny toekarentsika manokana.
Ny tarehimarika sy ny antontan’isa rehetra nivoaka dia manaporofo izany.
Vokatr’izany rehetra izany, dia nihena ny fahaleovantenantsika ara-toekarena, ary nitombo ny fiankinantsika amin’ny rafitra ara-bola iraisam-pirenena.
Ny filazana izany marina izany dia tsy midika hoe miady na mandà ny fiaraha-miasa amin’ny hafa. Fa dingana ilaina mba hahafahana manangana “refondation” tena izy. Satria amin’izao fotoanan’ny “refondation” izao, ny fanontaniana lehibe tokony apetraka dia izao : Inona no tokony hatao mba tsy hiverina intsony ireo tsy rariny sy tsy fifandanjana ireo ?
Ny “refondation “ dia tsy ho tanteraka raha tsy misy fanovana lalina eo amin’ny fomba fijery ara-toekarena.
Midika izany :
- fanavaozana ny rafitra sy ny fitantanana mba ho mangarahara sy marina ary akaiky ny vahoaka, isan’izany ny fanapariaham-pahefana tena izy,
- fanamafisana ny fahaleovantena ara-toekarena, mba hahafahan’ny fanjakana mamaritra ny politikany manokana,
- fanamafisana ny sehatra sosialy, indrindra ny fanabeazana sy ny fahasalamana,
- ary fananganana modely fampandrosoana mifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara, tsy miankina loatra amin’ny any ivelany ary manamora ny fiveloman’ny Malagasy maro an’isa, indrindra amin’ny fambolena sy fiompiana.
Ny milaza ny marina dia midika fa manana finoana : tsy afaka mivoatra ny firenena raha tsy mahaleo tena ; tsy afaka miroborobo ny toekarena raha tsy misy rariny ; ary tsy hahomby ny “refondation” raha tsy misy fahazavana sy fahatsiarovan-tena.
Ankehitriny, tonga ny fotoana hanova ny lesona tamin’ny lasa ho fototra matanjaka ho an’ny ho avy.
Saingy mila fahasahiana mijery ny marina, ary finiavana hiara-hiasa hanova ny zava-misy.





