Ankehitriny, hita miharihary fa miseho ho miray hina ny Governemanta sy ny Parlemanta. Tsy olana izany raha ho fiarovana ny fitoniana. Saingy rehefa lasa fiderana tafahoatra sy kabary mampifaly ny fitondrana no manjaka, fa tsy hevitra mazava ho an’ny firenena, dia mazava: Solelakisme izany.
Ny ohatra farany aza dia ny filazana fa ny Kolonely Michael Randrianirina dia ampitahaina amin’i Nelson Mandela. Tsy fanadihadiana lalina izany, fa fiderana tsy voalanjalanja. Ny dikany: fiarovana sy fitadiavana seza.
Ny “Refondation” dia tsy resaka rafitra fotsiny… fa fanovana ny fomba fijerintsika ny fahombiazana eo amin’ny fiainana mihitsy.
Eto Madagasikara, efa am-polony taona maro izao, dia diso lalana tanteraka ny hevitra hoe “tafita” ho an’ny Malagasy maro.
Ho an’izy ireo, ny fahombiazana dia midika hoe mahazo toerana eo anivon’ny fanjakana, na “fonctionnaire” sivily izany na miaramila, na fanaovana politika. Ireo, amin’ny Malagasy maro, indrisy, no lalana mahatafita sady voninahitra lehibe eo anivon’ny fianakaviana sy ny mpiray fiaviana. Ny zava-misy voalaza etsy ambony dia manaporofo izany etsy ankilany.
Etsy andaniny, ny zava-misy ara-politika eto Madagasikara ankehitriny dia mampiseho fa misy ireo tanora manaraka izany fomba maha tafita izany, ka mivarotra ny feony — maka vola, miaro ny tsy azo arovana sy ny tsy rariny, ary tsy mieritreritra akory; nahazo asa e! Efa hitany ilay tany malemy hiasana mba hiainana, sady tafiditra ao anaty tambajotra matanjaka dia ho manga ny lanitra rahampitso!
Tsy laharam-pahamehana mihitsy ho an-dry zareo ny famoronana harena avy amin’ny asa madio, ny fanamafisana ny fahaizana amin’ny fiezahana mandrakariva, ary ny eritreritra fanavaozana ny zavatra iainana mba handehanana any amin’ny tsara kokoa.
Ny vokany dia hita isan’andro: eto Madagasikara, raha te ho tafita, dia ny fidirana anaty tambajotra sy ny fahafantarana olona eo anivon’ny fanjakana no lalana hahombiazana, fa tsy ny asa, tsy ny fahaiza-manao ary tsy ny etika.
Ary ny tena zava-doza dia efa lasa fampianarana sy modely ho an’ny tanora maro izany. Ankehitriny dia miverina sy averimberina foana ilay foto-pisainana momba ny fahombiazana tsy rariny sy mamoha fady, sady fisainana mbola amafisin’ilay rafitra misy, izay tokony ho hatsaraina.Izany toe-javatra izany dia mbola asehon’ireo sasantsasany milaza ho mitarika mankany amin’ny “Refondation”, indrisy.
Mandritra izany fotoana izany, ireo manam-pahaizana sy ireo tena mahay dia atosika any anjorom-bala sady tsy henoina akory ny heviny. Satria ny feony dia manelingelina: mametraka fanontaniana sarotra, manolotra hevitra hanitsiana ny tsy mety sy ny tokony ho lalana ho amin’ny tombontsoan’ny maro, ka manohitra ny tombontsoa manokana ary manohitra rafitra miorina amin’ny toerana fa tsy amin’ny fahamendrehana.
Raha tena te hanavao isika, dia tsy maintsy ovaina ny fomba fisainana: ny tena fahombiazana dia tsy seza… fa fahaiza-mamokatra, fahalalana ary fahasahiana manavao. Izay ihany!





