Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Depiote: Lany andro misolelaka amin’ny Filoha Michael Randrianirina daholo

La gazette de la grande île
21/04/20262 minute read

Tena tsy misy hita ao Tsimbazaza mihitsy ireo depiote izay tokony hivory amin’izao fivoriana tsy ara-potoana voaloha izay niantsoana azy ireo amin’ny volana aprily 2026 izao. Mangina tsy ahitana na depiote iray ao Tsimbazaza. Ny miaramila mpiambina ny lapa sisa no hita mivezivezy ao manara-maso akaiky ny fitandroana ny fiambenana ity lapa ity taorian’ny resaka nandeha fa hisy handoro hono.
Araka ny vaovao azo teny an-toerana dia lasa any Toliara daholo hono ny depiote nanotrona ny filoha Michael Randrianirina izay nanatrika ny festival Tsapiky ny faran’ny herinandro teo. Dia navela ny fivoriana tsy ara-potoana io. Ny fotoana anefa dia fohy satria dia 12 andro ihany raha be indrindra. Tsy maintsy vita ny alarobia faha 22 aprily 2026 izao izany fivoriana lehibe andinihana ny raharaham-pirenena maika dia maika ity nefa dia natakalon’ny depiote ireto ny fanarahana ny filoha Michael Randrianirina amin’ny fanatrehana ny festival Tsapiky izay tsy dia misy ilana azy ireo loatra ity fety ity. Tena misalovana ny asan’ny sasany no azo ilazana azy satria mpiaro seza fotsiny.
Ny zavatra toa izao no nanenjehana ny fitondrana Rajoelina sy nanonganana azy teo ka nahatonga ny fitakiana ny fanovana nefa dia izao mbola ataon’ny depiote izao indray. Izany ve no fanavaozana izay ho tanterahana eto ankehitriny? Tsia avy hatrany ny valiny ka aoka handinika ianareo depiote ireo fa ianareo ireo no isan’ny fototry ny tsy fahombiazana sy ny tsy fandrosoana eto amin’ity firenena ity ka mampikorontana ny fanjakana toa izao. Lany andro misolelaka amin’ny Filoha mpanjaka fotsiny mba hiarovana ny seza. Tena fandaniana volam-bahoaka amin’ny tsy izy mihitsy izao.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top