Raha nandeha tamin’ny faritra maro manerana an’i Madagasikara izahay tao anatin’ny iray volana izay nandritra ny volana martsa sy aprily 2026 ity dia hita sy tsapa fa tsy misy miresaka na mba miraharaha izany fihaonambem-pirenena izany mihitsy. Tsy miraharaha izany fanavaozana na fanovana izany ny olona.. Ny fiainana andavanandrony no mahamay azy ireo dia ny vidim-piainana fa indrindra ny vidim-bary sy ny lavanily izay latsaka ambany be dia be ka nahafaty antoka ny mpamboly ary ny fiakatry ny vidim-piainana. Ny any amin’ny toerana sasany indray dia ny fahapotehan’ny fambolena noho ny tsy fahampian’ny orana. Any amin’ny faritra atsimo iny indray dia ny fihetsehan’ny asan-dahalo indray no mampimenomenlna ny vahoaka.
Tsy misy miresaka na miteny izany fihaonambem-pirenena izany ary tsy miraharaha izay politika koa ny olona. Tsy misy fanentanana, tsy misy fanazavana, hatramin’ny mpitondra fanjakana any ifotony izay tafaresaka taminay toa ny sefo ny distrika ny ben’ny tanana, ny sefom-pokontany dia samy tsy mahalala ny mikasika ity raharaha ity avokoa.
Koa manaitra ny fitondranam-panjaka fanavaozana mba hijery izany tranga miseho momba ny fikaonandoham-pirenena izany mba hasiany fandinihana ny fampahalalam-baovao izany ny vahoaka fa toa mipetraka eo anivon’ny ny mpitondra ihany ity raharaha ity. Resaka adala aloha hatramin’izao ny filazana fa hiainga avy any ifotony ny fihaonambem-pirenena ity nef any ifotony aza tsy mahalala izany akory
Fihaonambem-pirenena Tsy misy misy vahoaka miraharaha izany
La gazette de la grande île
21/04/2026•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5727033
Your IP Address: 47.82.8.141
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





