Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Manan-karena i Madagasikara, saingy atahorana ho very fifehezana amin’ireo harena ireo indray isika.

La gazette de la grande île
21/04/20262 minute read

Tany Toliara, ny fiaraha-miasa amin’ny “Bravura Holdings “ dia naseho ny President de la Refondation de la Republique de Madagascar ho toy ny dingana stratejika hitondra teknolojia sy fandrosoana amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany.

Aseho ho toy ny fandrosoana stratejika ity fiaraha-miasa ity, satria lazaina fa hitondra teknolojia mandroso, angon-drakitra marina ary fahalalana lalindalina kokoa momba ny harenantsika. Noho izany, miteraka fanantenana lehibe eo amin’ny fifandraisana ofisialy sy ny vahoaka izy io.

Saingy mbola misy fanontaniana lehibe tsy voavaly: ny mangarahara amin’ny fifanarahana, ny fiarovana ny tombontsoam-pirenena, ary ny fifehezan’ny Malagasy ny angon-drakitra sy ny fahalalana momba ny harena ao ambanin’ny tany.

Amin’ny firenena maro, rehefa malemy ny rafitra sy tsy mangarahara ny fanapahan-kevitra, dia lasa fitaovana fakàna harena ho an’ny vahiny ny harena voajanahary, ka tsy ny mponina no mahazo tombony voalohany.

Ohatra any RDC, teto Madagasikara mikasika ny volamena sns….

Ilaina araka izany ny fanontaniana mazava:
iza no mifehy ny angon-drakitra? iza no manapa-kevitra amin’ny fampiasana azy? ary iza no tena mahazo tombony amin’izany?

Raha tsy misy mangarahara sy fanaraha-maso hentitra, dia mety hitarika amin’ny fahaverezan’ny fifehezan’i Madagasikara tsikelikely ny hareny izany.

Noho izany dia ilaina:

  • ny famoahana ampahibemaso ny fifanarahana rehetra
  • ny fiarovana ny fifehezan’ny fanjakana ny angon-drakitra sy ny fahalalana stratejika
  • ny fanaraha-maso mahaleo tena amin’ny fampiharana

Tsy resaka teknika fotsiny izany, fa resaka fiandrianam-pirenena sy hoavin’ny firenena.

Ny harenan’i Madagasikara dia tsy tokony hofehezina ao anaty tsy mangarahara na ao anaty haizina.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top