Ny fanaovana politika teo amin’ny fitondrana Andry Nirina Rajoelina sy Hery Rajaonarimampianina ihany no miverina amin’izao fitondrana Michael Randrianirina izao indray. Rehefa mamory vahoaka dia ny fihobiana sy ny fankalazana ny filoha no vetesina ombieny ombieny. Toa ireny efa manao propagandy ireny ny sary hita ankehitriny. Haleloia hoy ny tenin’ny soratra masina. Azo lazaina fa voafitaka amin’io fomba io ny filoham-panjakana Michael Randrianirina raha mitohy izao zavatra misy izao . Ireo mpitaty ran-kena no betsaka manodidina ny fitondrana ka betsaka no tsy mieritreritra raha tsy ny ombikena na ny didy antsy hahazoana tombotsoa manokana.
Hadinon’ireo olona miara-miasa amin’ny Filoha ny antony nionganan’ny fitondrana Andry Nirina Rajoelina teo aloha fa ny filazana ombieny ombieny hoe « merci president » no nanodoka izay nataon’ny mpomba azy dia ny TGV sy Mapar ary ny Irmar izany. Tsy misy miresaka intsony ny fanovana na ny fanavaozana izay tarigetran’ny fitondrana ankehitriny ny mpomba ny fitondrana ireto fa dia ny fanindrahindrana no betsaka ka hatramin’ny fampandihizana ny filoha eny imasom-bahoaka aza dia natao avokoa toa ny tranga tany Toliara farany teo iny. Izay tsy fanao loatra ny mampandihy filohampirenena na filoham-panjakana toa ireny n’a ‘oa ny mpanjaka. Azo lazaina fa nivaona tanteraka amin’ny fenitra napetraky ny tolona ny zavatra misy ankehitriny.
Mbola tsy tara izao hiverenana amin’ny fenitra sy ny tanjona napetraka tamin’ny tolona ka tokony handray fanapahan-kevitra maika ny fitondrana io mba tsy ho tratran’ny fanenenana aoriana kely ao fa mitombo andro aman’alina isan’ny malagasy diso fanantenana amin’izao fotoana izao.
Politika: Miverina indray ny fomba fanaon’ny mpitondra teo aloha
La gazette de la grande île
21/04/2026•2 minute read
Partager cette article
Articles connexes
Visiteurs
5727663
Your IP Address: 47.79.11.60
Rubriques
« Les fausses nouvelles ne coûtent pas cher à produire. Le véritable journalisme coûte cher. »
Toomas Hendrik Ilves
« Le journalisme ne peut jamais être silencieux : c’est sa plus grande vertu et son plus grand défaut. Il doit parler, et parler tout de suite, tant que les échos de l’émerveillement, les revendications du triomphe et les signes de l’horreur sont encore dans l’air. »
Henry Grunwald
« Le journalisme est le garant de la démocratie. Il est la force du changement social progressif. »





