Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fihaonambem-pirenena : Samy mandeha samy mitady ny herivelona rehetra

La gazette de la grande île
29/04/202654 second read

Samy mandrirotra izay saim-pantany avokoa ny Herivelona rehetra eto amin’ny firenena. Ny sendikan’ny mpiasa isan-karazany dia samy milaza izay mba fantany avokoa. Ny fisondrotan-karama no tena takiany amin’izany. Ny polisy ny zandary, ny miaramila dia mivorivory avokoa. Milaza fa hitondra fanavaozana na fanovana avokoa izy ireo.
Ny fiarahamonim-pirenena dia tsy mitsahatra mivory koa ka mitondra ny fahitany ny raharaham-pirenena ity izany koa.
Ary ny antoko politika dia efa hita fa miady amin’ny fametrahana lalàmpanorenana vaovao ka mizara telo mazava ny fomba fijerin’ireo. Ny iray voalohany dia miady mafy ny mbola hanaovana fanjakana tokana na » etat unitaire « . Ny faharoa dia miady ny hananganana fanjakana mizakatena isam-paritra ary ny iray farany dia mitaky fitondrana federaly.
Izy rehetra ireo dia samy tsy misy mazava amin’ny vahoaka malgasy avokoa satria samy manana ny fahalalany sy ny fandraisany azy. Tena tsy ampy fanazavana sy fanentanana ny vahoaka ka maro no tsy miraharaha intsony izany fihaonambem-pirenena izany.
Raha ny fahitanay ny fihaonambem-pirenena ity dia mbola tsy hitondra vaha olana hoan’ny firenena ny fomba itondrana azy amin’izao fotoana izao io. Tsy mazava ny tena tiana hahatongavan’ny fitondrana Fanavaozana izao.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top