Nandray anjara tamin’ny “Africa Forward Summit” tany Kenya ny Filohan’ny Refondation de la République de Madagascar.
Sehatra iray nampisehoan’i Frantsa fa manova tanteraka ny paikadiny sy ny diplomatie-ny aty Afrika ankehitriny.
Ny zava-misy dia mihena tsikelikely ny herin’i Frantsa any amin’ireo zanataniny fahiny aty Afrika. Mihamaro ireo firenena afrikanina mandà ny rafitra “Françafrique”, izany hoe ilay fomba fifandraisana tsy mitovy nandritra ny taona maro.
Tsy kisendrasendra izao fanovana paikady ataon’i Frantsa izao. Fitadiavana tombontsoa sy fomba hitazonana ny heriny ihany koa izany ao anatin’izao fiovan’ny tontolo izao.
Ankehitriny, tsy resaka tafika sy fitsabahana intsony no avoakan’i Frantsa, fa resaka :
- fampiasam-bola ;
- teknolojia ;
- intelligence artificielle ;
- angovo ;
- entrepreneurship.
Ary mba hialana amin’ilay sary hoe mbola mifantoka amin’ireo zanatany frantsay ihany izy, dia tany Kenya — firenena miteny anglisy — no nanatanterahana ity fihaonana ity, mba hampisehoana fa misokatra amin’i Afrika manontolo i Frantsa.
Mazava anefa fa efa miova ny tontolo. Miditra amin’ny vanim-potoana “multipolaire” izao tontolo izao, ka tsy misy firenena lehibe afaka mandidy irery intsony.
Ho an’i Madagasikara, mazava ny lesona :
tsy tokony ho lasa mpanara-dia “camp” intsony isika.
Enga anie ireo manampahefana ny Fanjakana Malagasy hahavita hiaro ny tombontsoan’ny ankamaroan’ny Malagasy, hahavita hifampiraharaha mitovy lenta amin’ny hery lehibe rehetra, ary hahavita hampiasa ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena hampihenana ny fahantrana sy hanatsarana ny fiainan’ny Malagasy maro an’isa.
Satria ny tanjona dia tsy ny hiaro tombontsoan’olom-bitsy, fa ny hanatsara marina ny fiainan’ny ankamaroan’ny Malagasy.





