Araky ny tolo- kevitra avy amin’my CENI dia hiatrika fifidianana ny Filoham-pirenena isika Malagasy amin’ny volana oktobra 2027.
Tsy tokony ho fotoanan’ny krizy sy fifandirana intsony ny fifidianana, fa fotoana hanamafisana ny fitokisan’ny vahoaka sy ny fahamarinan-toeran’ny firenena.
Noho izany dia Mila :
- mangarahara ny lisi-pifidianana sy ny vokatra ;
- tena mahaleo tena ny rafitra mpikarakara fifidianana ;
- mitovy zo sy vintana ny kandida rehetra ;
- ary tsy hampiasaina amin’ny politika ny fahefam-panjakana sy ny volam-bahoaka.
Tsy rariny ary tokony tsy azo ekena intsony raha misy efa mahazo tombony satria nandalo teo amin’ny fitondrana, na nanankarena nohon’ny tombotsoa azo tamin’ny Fanjakana , na nampiasa na afaka mampiasa ny fanjakana hanomanana ny fifidianana sy akany my fitondrana-panjakana. Isany antony lehibe mahatonga ny krizy io.
Ny démocratie salama dia tsy miorina amin’ny tombontsoa azo avy amin’ny fanjakana, fa amin’ny fitovian-jo, fahamarinana ary fahatokisan’ny vahoaka.
Ary amin’izao fotoanan’ny fanavaozana izao dia mila apetraka ihany koa ny tena fanontaniana :
ahoana no hananganana rafitra politika sy andrim-panjakana tena mahomby, marin-toerana ary maharitra ho an’i Madagasikara ?
Satria ny tena refondation dia tsy hoe fifidianana fotsiny, fa fananganana fanjakana matanjaka, tompon’andraikitra ary mahaleo tena.
Ohatra, afaka mieritreritra rafitra vaovao i Madagasikara rahampitso : mifidy foana ny vahoaka, fa apetraka ihany koa rafitra sy fitsipika manokana hanaraha-maso ireo toerana ambony sy stratejika sasany, mba hiantohana fa tena olona mahay, madio fitondran-tena ary mahay mandanjalanja ny faritra rehetra no mitondra ny firenena.
Tsy afaka hiaina krizy isaky ny fifidianana intsony i Madagasikara. Tsy mila fisarahana, fa mila fifampitokisana. Ary izany fitokisana izany dia manomboka amin’ny lalàna mazava, andrim-panjakana matanjaka ary fiaraha-mientana ho an’ny tombontsoa my Malagasy rehetra.





