Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Tonga ny fotoana hiovana

La gazette de la grande île
18/05/20263 minute read

Mihamaro ny Malagasy mahatsapa fa misy zavatra tsy mandeha amin’ny fitantanana ny firenena ankehitriny. Toa vondron’olona vitsy no tena mifehy ny fahefana, ary ny tanjona aza toa lasa ny fitazonana ny fahefana amin’ny fomba rehetra, fa ny fanompoana ny tombontsoam-bahoaka sy ny Firenena toa adino.

Ny zava-misy ankehitriny dia ahitana izao : 

voalohany, misy manamboninahitra ambony vitsy mampiasa ny herin’ny basy sy ny fahefana satria tsy ampy ny herin’ny hevitra sy ny fanazavana entina mandresy lahatra ny olona. Ny Tafika, izay tokony hiaro ny Repoblika sy ny vahoaka manontolo, dia toa ampiasaina indraindray hiarovana fitondrana sy tombontsoan’olona sasany fotsiny.

Faharoa, misy mpanao politika vitsy mifehy ny andrim-panjakana, ny fitantanana eny ifotony ary ny rafitra ao amin’ny Fanjakana, ka lasa fitaovana politika miaro antoko sy olona ny Fanjakana fa tsy fitaovana hanompoana ny vahoaka rehetra.

Fahatelo, misy mpitsara sy tompon’andraikitra ara-pitsarana vitsy manaiky hanome endrika ara-dalàna amin’ny zavatra mampiady hevitra, na indraindray aza mifanohitra amin’ny Lalàmpanorenana. Misy koa manampy amin’ny famoronana antontan-taratasy sy fanenjehana natao hampanginana, hampitahotra na hanafoanana ny mpanohitra politika. Rehefa tsy mahaleo tena intsony ny Fitsarana, tsy ny mpanohitra ihany no tandindomin-doza, fa ny olom-pirenena rehetra.

Fahefatra, misy mpanao gazety, mpampita vaovao ary olo-malaza amin’ny tambajotra sosialy sasany manao propagandy isan’andro. Tsy ny hampahafantatra ny marina intsony no tanjona, fa ny hanamboatra sary sy tantara tiana hinoan’ny olona. Ny famerimberenana teny sy slogan no misolo adihevitra, ary ny fanaratsiana olona no misolo ny fifanakalozan-kevitra matotra.

Ary ao ambadik’izany rehetra izany, misy ireo olona tsy dia resahina loatra : ireo mpamatsy vola. Izy ireo no mamatsy ny hetsika politika, ny propagandy ary indraindray ny asa maloto atao any ambadika. Ary rehefa ny vola sy tombontsoa manokana no mitarika ny politika, dia tsy an’ny Firenena intsony ny Fanjakana fa lasa fitaovan’olom-bitsy sy tombontsoa manokana.

Ny tena loza ankehitriny dia ny fiparitahan’ny tahotra sy ny famoizam-po. Betsaka ny olona mahita ny zava-misy nefa mangina : misy matahotra, misy sasatra sy kivy, ary misy koa mino fa tsy misy azo ovaina intsony.

Tamdremo, Tandremo anefa : ny rafitra miorina amin’ny tahotra, fanodikodinana ary fibodoana fahefana dia miafara amin’ny faharavana foana.

Mendrika zavatra tsara kokoa i Madagasikara. Mila Fanjakana manaja ny lalàna sy ny vahoaka isika. Ny Malagasy maro an’isa dia miandry ny fikaonandoha iraisana, izay antenaina hitarika amin’ny fametrahana :

  1. Andrim-panjakana matanjaka sy mahaleo tena
  2. Fitsarana mijoro amin’ny rariny
  3. Tafika miaro ny Repoblika fa tsy antoko na olona
  4. Haino aman-jery afaka sy tompon’andraikitra

Ary indrindra indrindra, mpitondra mahatakatra fa ny tena andraikiny dia ny manompo ny vahoaka sy manomana ny ho avy.

Tonga ny fotoana hiovana.
Tonga ny fotoana hamerenana ny Fanjakana ho an’ny vahoaka.
Tonga ny fotoana hanarenana ny Repoblika.

Ataovy haingana ny fikaonandoha nasionaly !

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top