Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Vidim-bary Tafidina 200 ariary ny kapoakan’ny vary amin’ny toerana maro

La gazette de la grande île
21/05/202651 second read

Tafidina 200 ariary ny vidin’ny vary fotsy any amin’ny faritra ambanivohitta maro toa ny any amin’ny kaominina Malaimbandy, ao amin’ny faritra Menabe. Toa izany koa ny any amin’ny kaominina Mangataboahangy ao distrika Ambatofinandrahana. Toa izany koa ny any Mandrognarivo ao amin’ny distrikan’i Beroroha.
Amin’ny toerana sasany indray dia mba 300 ariary na 350 ariary ny kapoaka ny vary fotsy.
Mitaraina mafy noho izany ny tantsaha fa tsy misy mividy ny vokatrany. Miantso ny fitondrana Fanavaozana mitondra ankehitriny izao izy ireo fa tena voa mafy. Potika noho izany ny tantsaha fa tsy afaka miatrika ny fianana intsony. Raha mitohy na tsy ahitana vaha olana izao dia azo lazaina fa hamely mafy ny maitso ahitra amin’ny taona ity ka be dia be no ho kere amin’ny faritra maro.
Marihina fa ny taona 2025 toa izao dia 500 ariary raha ambany indrindra ny vidin’ny vary fotsy ny kapoaka teo Madagasikara tany amin’ny tantsaha. Potika ny fiainan’ny tantsaha malagasy eo anatrehan’izany. Tsy mahaleo ny sarany ny vidiny. Fatiantoka mihoampampana no mitranga amin’ny mpamboly malagasy. Aiza ny fanjakana eo anatrehan’ny zavatra toa izao?

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top