FFKM : Matahotra mafy azy ny fitondrana fanavaozana
Tato anatin’ny roa volana izay dia tsy nitsahatra nitsikera mafy ny fitondrana Fanavaozana ankehitriny ny FFKM na ny fiombonamben’ny fiangonana kristianina malagasy. Na ny FJKM (Fiangonan’i Jesosy Kristy eto Madagasikara), na ny fivoriamben’ny Eveka izay azo lazaina fa Andry ifotoran’ny FFKM dia samy nilaza avokoa fa nivaona tamin’ny fenitra ny fanavaozana ny fitondrana entin’i colonel Michael Randrianirina ity.
Na izany na tsy izany anefa dia mbola nohamafisin’i colonel Michael Randrianirina hatrany ny fitiavany ny FFKM ka hoy izy hoe « tsara ny tsikera nataon’ireo olona ireo » tamin’ny fanokafana ny fivoriamben’ny FFKM teny Ilafy ny alatsinainy teo. Ny mpadinika ny raharaham-pirenena dia mametraka fanontaniana hoe fanajana ve sa tahotra ny teny nataon’ny filoham-panjakana iny? Sa ve tsy misy lalana hafa azo atao amin’ny fanatanterahana ny fihaonambem-pirenena raha tsy ny FFKM ihany no mitarika izany?
Tiana ny manamarika fa marobe ny olona sy fikambanana no tsy mankasitraka ny fitantanana ny fihaonana ity hoan’ny FFKM irery satria efa hita fa tsy nahomby ny nataony rehetra teto Madagasikara nanomboka ny taona 1991 izay nisy krizy politika in-telo izay. Ary mbola mandiso ny fitakiana nataon’ny GenZ sy ny vahoaka koa ny FFKM. Tsy izy irery no Herivelona mpisehatra afaka mitarika fihaonam-be toa izao hoy hatrany ny resaka mandeha etsy sy eroa.
Fihaonambem-pirenena : Aoka mba tena ny hevitry ny vahoaka no fehin-kevitra havoakan’ny FFKM
Eo anatrehan’ny fanovana takian’ny vahoaka ka nahatonga ny fionganan’ny fitondrana Andry Nirina Rajoelina ka nandosirany niala an’ny Madagasikara, ary nametrahana ny fitondrana FANAVAOZANA izay tarihin’i colonel Michael Randrianirina izao.
Ny GenZ izay nitarika ny tolona ka nitondra ny feon’ny vahoaka malagasy manontolo dia ny FANOVANA NY RAFITRA hitantanana ‘ny firenena malagasy no tanjona. Io no fitakiana sy fototry ny olana teto Madagasikara izay takian’ny malagasy ka nahatonga izao Fanavaozana izao
Noho izany dia ny FANOVANA NY RAFITRA io no zava-dehibe. Rafitra toa inona anefa io? Tsy afaka namaritra ny GenZ ireo fa nanakona izany amin’ny malagasy manontolo amin’ny alalan’ny fihaonambem-pirenena izany.
Koa satria FANOVANA RAFITRA no niaingana dia samy manana ny heviny mikasika izany ny malagasy. Ao no mitady ny fanjakana tokana na « unitaire »mitovy amin’ny rafitra ankehitriny saingy « décentralisé » na fitsinjaram-pahefana tena izy, misy indray ny mitady ny faritany mizakatena na « province autonome », ary ny iray fahatelo dia ny fanjakana federaly na ny « État fédéral antsoina ihany koa hoe fédéralisme » .
Mbola misy koa ny rafitra hafa nefa ireo telo ireo no betsaka miteny ankehitriny. Koa eo anatrehan’izany dia any amin’ ny FFKM ny baolina ankehitriny.
Lalàmpanorenana no atao hoe Rafitra ka tsy maintsy ny iray amin’ireo no hitantanana ny fanjakana manaraka eo.
Hitanila amin’izay rafitra tiany ve ny FFKM sa haka marina izay tena vokatry ny dafifin’ny mpizaika amin’ny fihaonambem-pirenena io.
Tiana ny manamarina fa nitanila ny fomba fiasan’ny FFKM ity tamin’ny taona 1991, 2001 sy 2002 ary ny taona 2009 raha nitarika ny famahana olana tamin’ny krizy politika sy sosialy nitranga teto Madagasikara izy ireo. Mbola niverina ihany ny krizy noho izany ka izany no antony tsy antokin’ny olona sy ny vondron’olona ary fikambanana sy antoko politika intsony ny FFKM ity.
Koa dia ho hitantsika eo ny fizotry ny raharaha fa be ihany no tsy matoky intsony ity FFKM ity.





