Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Allo, Allo, Allo : Na isika tena hanova marina, na izay eo ihany no haverina fa hosarontsaronana amin’ny teny tsara lahatra !

La gazette de la grande île
26/05/20262 minute read

Sahia ary miatrika ny fototra ratsin’ny rafitra ankehitriny !

Ny “Concertation Nationale” izay ho tanterahina atsy ho atsy dia tokony ho dingana lehibe amin’ny fanavaozana ny firenena.

Tokony ho sehatra iresahana sy iaraha-manangana ny fototra vaovao ijoroan’ny Fanjakana Malagasy, mitsinjo sy miaro ny Malagasy rehetra izy io.

Tokony ho fotoana hitondra fiovana lalina sy tena fahatapahan-kevitra nasionaly mazava momba ny ho avy tsara andrandrain’ny Malagasy ity “Concertation Nationale” ity.

Tsy tokony ho fivoriana fanampiny fotsiny ao anatin’ny rafitra efa mahazatra.

Satria matetika, raha jerena ny zava-nisy tany aloha, dia tsy nahavita nitondra vahaolana lalina tamin’ireo krizy ara-politika nifandimby ny “concertation nationale”.
Ny zavatra iainantsika ankehitriny manaporofo ny vokatry ny “concertation nationale” natao tamin’ny taona 1972, 1991, 2002 ary 2009.

Fa inona moa no atao hoe “rafitra”?

Ny “rafitra” dia tsy governemanta iray na filoha iray. Tsy adihevitra hoe fanjakana tokana sa fanjakana federaly ihany koa.

Ny rafitra misy ankehitriny dia fitambaran’ny :

  • fomba fitondrana ara-politika
  • fitantanana ara-panjakana
  • rafitra ara-toekarena
  • sy fifandraisana ara-tsosialy

izay mifampiankina sy mifampahery nandritra ny taona maro.

Ary izany no mahatonga ny fanovana tena izy ho sarotra… Satria tsy olona vitsivitsy no voakitika fa rafitra iray manontolo efa miorim-paka.

Ny fanontanina lehibe tokony hapetraka dia izao:

Hanana tena finiavana ve isika hiatrika ny fototr’io rafitra io mba hanova marina an’i Madagasikara ?

Izany fototra izany rafitra izany izay hita sy iainan-ntsika ankehitriny dia toy izao:

Ny rafitra misy dia mifototra amin’ny :

  • Fahefana mivangogo eny anivon’ny Fanjakana foibe
  • Tambajotran-tombontsoa sy fifandraisana manokana
  • Fanjakana marefo sy tsy mahavita manatanteraka tsara
  • Kolikoly efa lasa fomba fiasa mihitsy
  • Fiankinan-doha ara-toekarena sy ara-politika
  • Tsy fisian’ny tena andraikitra mazava

NY VOKANY izany fototra izany dia tsy ny lalàna intsony no mifehy voalohany ny fiaramonina fa ny fifandraisana sy ny tambajotran’ny ratsy fanahy. Tsy ny tombontsoam-bahoaka no atao lohalaharana…Fa ny tombontsoa efa voalamina.

Inona ary no andrasana amin’ny “Concertation Nationale”? Tena fanavaozana marina ve ? Sa famerenana ny fomba taloha amin’ny endrika vaovao ?

Ny “Concertation Nationale” dia ho tsaraina amin’ny zavatra iray ihany: hanova ny fototra ny rafitra izay manitsakitsany ny zon’ny Malagasy sy ny rariny ?…sa hamerina azy fotsiny amin’ny endrika vaovao ?

Tsy fanoloana olona fotsiny ny fanavaozana an’i Madagasikara. Fa fanovana ny fitsipika sy ny fomba fandehan’ny rafitra.

Raha tsy izany, hiova endrika fotsiny ny krizy… fa mbola hiverina foana.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top