Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Ny tena fiovana marina amin’ny fitondran-tena dia manomboka rehefa tsy mahazo valisoa intsony ny tombontsoa manokana,”

La gazette de la grande île
01/06/20262 minute read

“Ny tena fiovana marina amin’ny fitondran-tena dia manomboka rehefa tsy mahazo valisoa intsony ny tombontsoa manokana, fa ny fanompoana ny tombontsoam-bahoaka no lasa làlana azo antoka indrindra, hajaina indrindra ary mahasoa indrindra amin’ny fanatanterahana andraikitra eo amin’ny fanjakana.”

Nandritra ny dinika maro natao momba ny fanavaozana ny fifidianana niaraka tamin’ny CENI dia betsaka ny fitarainana, ny hatezerana ary ny fanakianana navoakan’ny rehetra ary tsy maintsy izany no miseo!

Fa ny fanontaniana lehibe dia izao :
Tsy ampy intsony ve ny miteny hoe misy ny tsy rariny sy ny fanararaotam-pahefana ?

Fantatsika ny olana.
Fantatsika ny fomba ratsy fanao.
Fantatsika fa maro ireo tompon’andraikitra mampiasa ny fahefam-panjakana ho tombontsoany manokana fa tsy ho an’ny tombontsoam-bahoaka.

Ny tena fanamby dia ny fametrahana fepetra mazava :

  1. Iza no tompon’andraikitra amin’ny fanapahan-kevitra tsirairay ?
  2. Ahoana no hahafantaran’ny vahoaka ny marina ?
  3. Inona no sazy mihatra amin’izay manao tsy rariny, izay itaran’ny vahoaka ? Tsy tokony hiandrasana “enquête”, na hilazana fa “mitombina fa tsy azo raisina”, sns… satria ireo ihany koa no mampiasa ny lalàna.
  4. Iza no miaro ireo olona sahy mitsangana manoloana ny tsindry sy ny kolikoly ?
  5. Ahoana no hahatonga ny fahitsiana ho soatoavina hajaina fa tsy fahalemena ?

Ny tantara dia mampiseho fa tsy miova ny olona satria nasaina hiova. Miova izy rehefa mazava ny lalàna, ary tena ampiharina, indrindra amin’ireo manao ny tsy rariny, fa tsy miandry “enquête” na hoe “mitombina fa tsy azo raisina”, sns… rehefa lasa mangarahara ny rafitra, ary misy vokany marina ny tsy fanarahana ny fitsipika.

Tsy fanovana lahatsoratra na lalàna fotsiny no ilaintsika. Tsy fanovana rafitra fotsiny koa.

Mila rafitra izay mahatonga ny tsy rariny ho lafo vidy ary ny fahitsiana ho lalana mendrika sy voaaro.

Raha tsy izany dia rafitra vaovao no hatsangana, saingy ireo fomba ratsy taloha ihany no hitohy ao anatiny.

Ny fitokisan’ny vahoaka dia tsy avy amin’ny kabary tsara lahatra, indrindra mandritra ny “Concertation Nationale” izao.

Ny fitokisana dia teraka rehefa fantatry ny rehetra fa tsy misy olona ambonin’ny lalàna ary misy vokany foana ny fanaovana tsy rariny.

Matetika rehefa misy “Concertation” dia miverina foana ny resaka hoe “iza no diso?”. Raha handroso marina mankany amin’ny “Refondation” dia tokony hapetraka ny fanontaniana tena izy: “inona marina no tsy maintsy ovaina?”, mba hiova toetra sy fanahy ireo tompon’andraikitra.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top