Anisan’ireo fanontaniana mbola tsy voavalin’ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao ny momba ny fandraisan’anjaran’ny diaspora sy ireo Malagasy monina any ivelany amin’ny Concertation Nationale.
Isaky ny mivoaka any ivelan’i Madagasikara ny tompon’andraikitra dia matetika izy ireo no manambara fa handray anjara amin’ny Concertation Nationale ny diaspora. Fanontaniana tsotra anefa no mipetraka: amin’ny fomba ahoana?
Tsy azo lavina fa anisan’ny herin’i Madagasikara ny diaspora. Maro amin’izy ireo no nahavita fianarana ambony, nahazo traikefa iraisam-pirenena ary manampy ara-bola ny fianakaviany. Misy aza ny fikambanana sy vondrona diaspora efa maneho fahavononana handray anjara amin’ny dingan’ny refondation.
Kanefa, misy ihany koa ny fanontaniana ara-drariny tokony hapetraka. Raha ny Concertation Nationale dia natao indrindra hamantarana ny olan’ny vahoaka eny ifotony, iza no tena mahafantatra ny fiainan’ny Malagasy andavanandro? Ireo miaina ny fahatapahan-jiro, ny fahasahiranana ara-pahasalamana, ny olana eny an-tsena, ny faharatsian-dalana ary ny tsy fananan’asa, sa ireo efa am-polony taona maro no monina any ivelany?
Tsy midika akory izany fa tsy tokony hohenoina ny diaspora. Fa angamba mila faritana mazava ny toerana sy ny lanjan’ny fandraisan’izy ireo anjara. Mety hitondra traikefa, fahalalana ary vina izy ireo. Saingy ny safidy sy ny laharam-pahamehana momba ny hoavin’ny firenena dia tokony hifototra voalohany amin’ny feon’ireo miaina ny zava-misy eto an-toerana isan’andro.
Toy izany koa ny resaka momba ireo sesitany ara-politika na ireo mpanao politika any ivelany. Raha misy olona manana hevitra mahasoa ny firenena dia azo henoina izany. Fa ny fanontaniana lehibe dia ny hoe: tokony hitovy lanja amin’ny feon’ny olom-pirenena tsotra ve ny feon’ireo izay nandray anjara tamin’ny fitantanana niteraka ny olana sedrain’ny firenena ankehitriny?
Ny Concertation Nationale dia tsy tokony ho sehatra hanadiovana sary na hamerenana ny lazan’ny mpanao politika. Tokony ho sehatra hanomezana vahana ny tombontsoam-bahoaka sy ny hoavin’ny firenena izy.
Amin’ny farany, tsy ny fanontaniana hoe « iza no afaka miteny? » no tena zava-dehibe. Fa ny hoe « iza no tokony hohenoina indrindra? » Raha tena miainga avy eny ifotony ny fanorenana indray ny firenena, dia tokony hanana ny toerana voalohany ny feon’ireo Malagasy miaina sy miatrika isan’andro ny zava-misy eto Madagasikara.





