Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Fitondrana Fanavaozana Mitetika ho filoham-pirenena ny ankamaroany

La gazette de la grande île
17/06/20262 minute read

Mandeha dia mandeha ny resaka amin’izao fotoana izao fa maro ireo mieritreritra hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena amin’ireo mpitondra ao amin’ny fitondrana Fanavaozana ity.
Ny feo mandeha avy amin’ny manodidina ireo mpitondra ireo dia samy milaza avokoa fa manomana izany fifidianana filoham-pirenena izany izy ireo.
Isan’ny voateny amin’izany ny colonel Michael Randrianirina, izay filoham-panjakana amin’izao fotoana izao. Toa izany koa ny Colonel Gérvaid sy ny colonel Lucien izay samy mpanolotsaina avo ao amin’ny fitantanana ny firenena. Malaza be koa ny anaran’ ny minisitry ny fitsarana Fanirisoa Herinaivo ary ny minisitra miadidy ny fanavaozana Hanitra Razafimanantsoa ary ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Siteny Randrianasoloniaiko…
Raha ny fahitana ny zava-misy ankehitriny dia hita taratra amin’ny fihetsika asehon’ireo olona ireo fa mirona mankany amin’ny fiomanana ho fidiana ho filohan’ny repoblika izany izy ireo.
Tsy dia mahagaga raha toa ka mivoaka sy hita taratra izany satria hita sy fantatra fa izany no fanirian’ny mpanao politika.
Izy ireo izany no hifanehatra amin’ny 11 kandidà izay nilatsaka tamin’ny 2024 teo.
Tsy miraharaha izay ho endriky ny rafitra havoakan’ny fihaonambem-pirenena izy rehetra ireo. Misy ny mitaky ny rafitra fédéralisme, ao koa ny malagasy no miandrandra faritra mizakatena ary mbola misy koa ny mbola te-hiverina amin’ny fanjakana amin’ny endriny ankehitriny izao.
Ho hitantsika eto ihany ny tohiny… .
Raha ny fahitana ny raharam-pirenena ankehitriny dia isan’ny mampitarazoka ny fandehanana any amin’ny fihaonambem-pirenena ny ady seza ny ho filoham-pirenena vaovao ity ao amin’ny mpitondra ankehitriny satria mbola io kajikajy io no isan’ny mandany andro.

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top