Skip to content
Le Journal de l'île Rouge
Gazetin'ny nosy

Colonel Michael Ny depioten- dRajoelina ihany no namany akaiky ankehitriny

La gazette de la grande île
22/06/20262 minute read

Miomana handeha any Morondava avokoa ireo depiote nilaozan’i Rajoelina filohampirenena teo aloha nandositra any ivelany ka mifikitra sy manarakaraka ny filohan’ny Fanavaozana ny Colonel Michael Randrianirina sisa no azon’izy izy ireo . Hoany Morondava hono ny filohan’ity Fanavaozana ny Colonel Michael Randrianirina rehefa vita ny fankalazana ny fetin’ny 26 Jona 2026 eto Antananarivo.
Gaga sy zendana ianao raha mahita ny fanomanana izany ataon’ny depiote mivory ao Tsimbazaza ao. Tena tsy misy resaka raha tsy izany ao. Ambinambiny sisa ny fandinihana sy ny fandaniana lalàna . Tena tia vao ny malagasy! Ry zareo depiote Mapar na isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina no tena mihetsiketsika amin’izany. Tena fanavaozana marina no misy eto Madagasikara satria natakalon’ny depiote olom-baovao dia ny colonel Michael Randrianirina ny filohany teo aloha Andry Rajoelina. Lasa forongon’ny Colonel Michael indray izany ny forongon’ny Filoha Rajoelina teo aloha. Tena dadany ny malagasy raha hanao fanavaozana.
Eo anatrehan’izany rehetra izany dia miha kivy amin’ny zava-misy ankehitriny ny vahoaka malagasy. Very ny fanantenana navaivay tany amin’ny vahoaka izay niandrandra fiovana sy fanavaozana. Ny zava-misy teo aloha ihany no misy amin’izao. Tsara holazaina izany mba ho henon’ny mpitondra amin’ny Fanavaozana izao satria izany no zava-misy. Diso fanantenana ny olona ankehitriny satria miharatsy hatrany ny fiainana ary ratsy noho ny fiainana teo aloha aza. .

Partager cette article
Articles connexes
Back To Top